Toriteny “Raiso ny anjaranao”. 2 Sam 23.1-7

35:13min

Navoaka ny 24 May 2020

Teny fanalahidy : Aumônerie malagasy

Teny fampidirana

Davida no mpanjaka faharoan’i Israely nandimby an’i Saoly (1004-965 BC).
Ny 2 Sam no tena mitantara ny fitondrany ka 2 Sam 23.1-7 dia hira fiderana nataony alohan’ny fahafatesany. Indreto toromarika telo hahavitanao hatr@ farany ny anjaranao tahaka an’I Davida.

1) Fantaro ny anjaranao

Manomboka @ fahaizana misafidy ny sampam-pianarana hatao izany mba hiomanana mialoha. Tokony ho mpanampy fa tsy manery ny safidiny ny ray aman-dreny @ izany. Mila ny fanampian’ny Tompo rahateo izy ireo. Rehefa eo mantsy no diso fotoana na diso safidy dia ho sahirana indray.

Davida dia tsy mba nandrenesana olana loatra t@ fahazazany sy ny fahatanorany. Mpankatoa ray aman-dreny ary nazoto niandry ny ondrin-drainy izy. Tena olom-bavaka satria efa nifankazatra t@ Fanahin’ny Tompo hatr@ ela, ka nolazainy fa “ny Fanahin’ i Jehovah no nampiteny azy” (And-2). Efa zatra nihaino an’Atra izay miteny aminy izy (And-3).

Koa tsy sarotra t@ Davida no namantatra ny anjarany. Rehefa nolazain’I Samoela mpaminany, irak’I Jehovah, fa izy no voatendry ho mpanjaka dia tsy nisy fandavana teo aminy na kely aza.

Ny Tompo no manome ny anjara tsara. Koa rehefa tafaray tsara Aminy ianao dia tsy hanahirana anao ny fahafantarana izany anjara izany fa asehony eo @ fiainanao.

Am-panetren-tena sady ho vonihahitry ny Tompo no ijoroako vavolombeloa eto. Tao anatin’ny fahatanorako aho no nofohazin’ny Tompo. Isaky ny nanatrika fotoam-bavaka aho dia nitsiriritra hatrany ny mpanompo izay nitoriteny. Teo ho eo @ toerany mafy aho. Hitako mazana tao anaty nofiko fa mitoriteny aho. Nanomboka nameno ny foko izany faniriana hanao ny asan’ny Mpitandrina izany, ka teo @ faha-18 taonako katroka dia tsy zakako intsony fa nanantona Mpitandrina iray aho. Nohamafisiny fa tena fiantsoana ahy izany, ka tsy tokony hiova intsony aho.

Nanomboka teo dia tsy nieritreritra zavatra hafa mihintsy aho sady tsy mba nanandrana asa hafa fa avy hatrany dia nifantoka. Hitako fa tena asa tsara izy ity na dia tsy mora aza. Fantatro fa anjara tsara nomena ahy izany ka noraisiko sy nifotorako tokoa.

2) Raiso ny anjaranao

Ny anjara dia tolotra avy @ Tompo fa ianao kosa mila mandray. Davida dia notolorana tokoa. Tonga dia nahalala satria efa tsara fifandraisana @ Tompo. Tsy mba nangataka andro fa tonga dia nandray satria fantany fa tsy impiry mandalo izany tolotr’asa ho mpanjaka izany.

Nankatoa ny fijerin’Atra noho ny fijerin’ny olona izy, satria na dia faralahy sy mbola tanora (30 taona) aza izy dia niroso avy hatrany. Rehafa hitanao fa tolotra avy @ Tompo ary naharesy lahatra anao, RAISO ny anjaranao. Aza manao hoe mbola tanora aho ,fa ny nenina, hono, tsy eo aloha hananatra fa ao aoriana hadantsa.

3) Ifotory tsara ny anjaranao

Nifototra tsara t@ ny anjarany tokoa Davida satria tsy nanao afa-tsy asa maha-mpanjaka mandra-pahafatiny. Nanao fanekena, toy ny fifanarahana asa ankehitriny izy na “Professionalisme” izany (And-5). “Fanekem-pihavanana mandrakizay” moa no teny nampiasaina tao. Izany hoe, tsy teo aminy sy ny Tompo fotsiny fa mitondra @ lay tena Mpanjakan’ny mpanjaka, dia Jesoa Kristy, “Zanak’I Davida” , sady taranany ara-nofo rahateo, ny fifanarahana.

Rehefa tena ifotoranao sy kalianao tsara tokoa ny anjara asanao dia tsy hanary anao izany ary tsy maintsy hahitanao vokatra tsara.

Notiavin’I Davida ny anjarany, ny asany, satria nataony mavesan-danja ny lafitsarany . Rehefa manao ny asany @ maha-mpanjaka @ fanajana ny Tompo izy dia nolazainy fa toy ny masoandro @ maraina ka ny tarany manafana, izay mandimby ny orana ka mampitsimoka ny ahitra”(And-3,4).

Raha tsy mba mahita ny mahatsara ny anjaranao, ny asanao mihintsy ianao, dia mieritrereta fa na ianao tsy tsara ny fifandraisana @ Tompo ka tsy mety mahay mankasitraka, na tsy sitraky ny Tompo io asanao io satria mitondra anao hanalavitra Azy. Mety tsy afaka mivavaka mihintsy ianao. Misy koa asa mitondra ny mpanjifa hanalavitra ny Tompo, koa aleo ialana fa tsy sitrany.

Teny famaranana

Nahavita nitondra an’Isiraely t@ fandrosoana nandritra ny 40 Taona sy nametraka an’i Jerosalema ho renivohitra I Davida. Reharehan’ny Tompo, ny fianakaviany sy ny fireneny. Tandindon’ny Mesia izy. Koa, tahaka an’I Davida, efa misy anjara tsara efa nomanin’ny Tompo ary omeny anao. Tsy ho an’ny asanao @ akobanandro ihany izany fa @ anjara fanompoanao eo @ fiangonany indrindra koa. Tsarovy fa io farany io no fanovozan-kery ho @ asanao sy adidinao akobanandro rehetra. Koa FANTARO, RAISO, IFOTORY izany anjaranao izany fa planin’ny Tompo ho famonjena sy ho fampandresena anao. Amena.