Ny Fiangonana Presbyteriana eto Maorisy

Navoaka ny 24 Aprily 2020

Noho ny fahasoavan’ny Tompo sy ny fanoloran-tena, ny vinan’ity fiangonana ity dia ny hijoro, hitombo, hivelatra, hanazava ary hiorina amin’ny fiainana manintona ny ao anatiny sy ny manodidina azy.

Ireto avy ny iraka miandry ny fiangonana :

  • Manao izay hahatonga ny mpiangona hanana finoana velona ary imbonany amin’ny mpiara-mivavaka, ho matotra sy ho tompoan’draikitra amin’ny fanompoam-pivavahana, amin’ny fiainana sy ny fanompoan’ny fiangonana.
  • Manentana ny mpiangona tsirairay hitory ny finoany, hijoro vavolombelona. Mandri-sika ny mpiangona hifandray amin’ny sokajin’olona rehetra, hitaona azy ireny koa hino sady hiditra aty am-piangonana.
  • Mitandro ny maha-izy azy ny fiangonana no sady misokatra amin’ny hafa koa. Mam-patsiahy ny mpiangona ny tantara sy ny mampiavaka ny fiangonana Presbyteriana mba hahatonga azy ireo hahatsiaro ho tompony.
  • Manamafy sy manome lanja ireo asa sy departemanta ary fikambanana samihafa misy eo aminy. Manamafy ny fahaiza-manaon’ny tompon’andraikitra, mpitarika, loholona ary ireo mpitandrina amin’ny alalan’ny fizarana fiofanana sy tolo-tànana mitohy.
  • Manatanteraka am-pahombiazana ny fitantanana sy ny fifandraisana.

Mikendry ny hanatanteraka hatrany ny sitrapon’ny Tompo. Satria Kristy Jesoa no miasa ato anatinay sy amin’ny alalanay mba hahefanay ny iraka sy hitazonanay hatrany ny vina, dia manantena ireto vokatra manaraka ireo izahay :

  • Fanompoana mandroso amin’ny sehatra samihafa
  • Fitandroana ny resaka fifandraisana
  • Fiainana ny haren’ny fahasamihafan’ny mpikambana
  • Fijoroan’ny fiangonana miatrika ny ankehitriny sy ny ho avy
  • Fivelaran’ny vinan’ny fiangonana
  • Fitrandrahana asa pastoraly sy seham-panompoana hafa