ROAHY NY DEVOLY

21min01

Navoaka ny 29 Jolay 2020

LIOKA 8.26-39
« ROAHY NY DEVOLY »

TENY FAMPIDIRANA
Mitantara ny namoahan’ i Jesoa demonia maro tamin’ ny lehilahy
iray tany Gerasena, tanàna kely eo atsimo atsinanan’I reniranon’I Galilia, any avaratr’Isiraely izy ity. Sitrana soa aman-tsara io rehefa noroahiny ny devoly tao aminy.

1) TENA MAMPIJALY NY DEVOLY
Hita taratra t@ fiainan’ity lehilahy azony ity izany. Nampahorian’ny devoly nandritra ny taona maro izy (And.27) ka nataony tsy nahatsiaro tena satria tsy nitoetra an-trano intsony. Nataony tsy nahalala menatra intsony izy satria tsy naharay akanjo. Ambonin’izany nataony mivoaka alina sy milalao faty ka tany am-pasana no nanorim-ponenana. Izay azon’ny devoly araka izany dia mijaly tokoa sady afa-baraka.

Rehefa asainy mihetsika indray ity rangahy ity dia mampalahelo fa asainy mivandravandra sy mikiakiaka, manapaka gadra vy ary entiny mirifatra any an’efitra (And.29). Izany hoe any @ tany misy bibidia, tsisy rano na alokaloka akory. Asainy mikiakiaka (Niantso mafy).

2) NATAO HO ROAHINA NY DEVOLY
Raha vao nahita lay demoniaka Jesoa dia nandroaka avy hatrany. Indray maka monja Izy no nanontany ilay devoly hoe : “Iza moa no anaranao ? » (And.30). Rehefa izany dia nandroaka azy Izy avy eo. Natao ho roahina ny devoly fa tsy natao hiresahana ela. Izany tokoa no nahavoa an’i Eva tao @ saha Edena. Variana niresaka ela t@ devoly, izay niseho endrika t@ alalan’ny menarana, ka nanjary babony. Tandremo fa sady fetsy no mpamitaka ny devoly.

Mpanompon’ny devoly avokoa ny medium, mpanelanelana @ maty, ny mpimasy sy ny mpanandro. Koa aza mamita-tena fa sady mpandainga no rain’ny lainga ny devoly (Jao 8.44).

Mba variana ihany aho mahita ireo horonantsary mirakitra ny fanaon’ny mpitarika fivavahana sasany tia mampiresaka ny demoniaka efa ho minitra maromaro. Zaran’ny devoly aza mahazo mpihaino maro be ka dia fanalambaraka ny ankohonan’ilay demoniaka no ataony be. Tsy natao hiresahana fa natao ho roahina ny devoly, ry havana.

Tandremo ry tanora ny misangisangy manao ireny “esprit, es-tu là” ? Parle-nous ! » eo ambony latabatra asiana soratra mihetsika ireny fa miresaka @ devoly ianareo ary dia ho babony.

3) TOKONY HO VONJENA NY OLONA AZON’NY DEVOLY
Marihina aloha fa tsy ilay olona demoniaka akory no devoly fa ny fanahy tafiditra mangeja azy. Mampalahelo anefa no hanaovan’ny fiaraha-monina azy ireny indraindray. Tonga masiaka ny olona mahita azy ireny mitabataba na somary mahery fihetsika ka hoy ny olona hoe : Hidio, gadrao, vonoy ho faty. Raha mba ianao moa na ny rahalahinao izany !?

Vahaolana ara-nofo ihany no hitan’ny fiaraha-monina : Samborina, fatorana, hidina na fatorana vy. Raha ampidirina hopitaly aza dia fanafody mampitonitony (Calmant) @ fotoana voafetra no hitany. Tsy voatana anefa fa tafavoaka ihany.

Ny fibebahana sy fandroahana @ anaran’I Jesoa Kristy irery ihany no tena vahaolana mahomby indrindra. Koa aza mitsaitsaika mandositra intsony ry mpiangona malala rehefa tonga @ fotoanan’ny Asa sy fampaherezana fa tombotsoa ho anao no hanaovana ireny. Mba tohano ry fiangonana, ireny tobim-pifohazana izay handroahana devoly ireny. Samia mba mitondra am-bavaka izay azon’ny devoly fa ny fiasan’ny fivavaky ny marina dia mahery indrindra.

4) ATAOVY MAZAVA NY SAFIDY
Sitrana soa aman-tsara ilay demoniaka ary niditra tany anatin’ny andiana kisoa ny devoly ka nampirifitra sy nahafaty azy ireo. Mahagaga fa rehefa nahita izany ireo olona tao an-tanàna dia naleony ihany ilay fiainany teo aloha na dia nampihorohoro azy ireo fatratra aza lay demoniaka. Nandroaka an’i Jesoa tsy hijanona eo an-tanànany izy ireo (And.37). Tokony ny devoly no noroahiny. Naleony nisafidy ny nandroaka an’I Jesoa Tompo toy izay ny biby fiompy na ny harenany no ho voakitikika. Mazàna tokoa mantsy ny fitiavan-karena na fahefana manokana no hanatonan’ny olona mpimasy mba hanome hery fiarovana.

Mila fahafoizana sy fanapahan-kevitra hentitra ny fanarahana ny Tompo. Mazava ny hafatry ny Filazantsara eto : Aleo very kisoa andiany iray toy izay very fanahy sy fiainana mandrakizay. “Fa inona moa no soa ho azon’ ny olona, raha mahazo izao tontolo izao, kanefa very ny ainy ? Ary inona no homen’ ny olona ho takalon’ ny ainy ?” (Mat 16.26). Ataovy mazava àry ny safidinao. Mibebaha, dory ny odinao ary raiso ny fanafahan’ny Tompo.

TENY FAMARANANA
Izao no Vaovao mahafaly : na dia mahery sy fetsy aza ny devoly, dia matahotra hihaona @ Jesoa Kristy sy ny mpanara-dia Azy. Efa fahavalo resy izany ka ROAHY sy tohero @ anaran’i Jesoa Kristy satria efa nomen’ny Tompo fahefana handroaka ny devoly ny mino. Amena