Ny vokatry ny fanamarinan-tena. Joba 27.1-10

32:35min

Navoaka ny 10 May 2020

Joba (Olona)

  • Lehilahy niaina tany Oza, Edoma, Atsimon’Israely.
  • Tena mpivavaka sady mpisorona mpitondra fanatitra teo @ fokony
  • Lehilahy marina sady tian’I Jehovah
  • Nanan-janaka 10 mianadahy izy, ary nanan-karena koa.
  • Tsara laza sy mamy hoditra teo @ fiaraha-monina satria nanampy ny mahantra sy ny kamboty.

Fampahoriana 1er nahazo an’i Joba

  • Nisy nangalatra ny ombin’i Joba sy ny ampondrany.
  • Nisy nandoro ny ondrin’i Joba
  • Nisy nangalatra ny ramevany.
  • Matin’ny mpangalatra ny ankamaroan’ny mpimabina ny bibiny.
  • Maty nianjeran’ny trano ny zanany.
    + Saingy tsy mbola niala na nanome tsiny an’Atra i Joba.

Fampijaliana 2è nahazo an’i Joba

  • Lasa feno vay ny vatan’i Joba hatrany an-tampon-doha ka hatrany am-paladia.

Namany Joba 3 LAHY

  • Elifaza, Bildada ary Zofara
  • Na dia mba naman’I Joba ihany aza dia nanakivy azy
  • Nanome tsiny azy hoe “Nanota mihitsy ianao fa manafina matoa tratran’izao sazin’Andriamanitra izao”

Joba 27.1-10

  • Ao antin’ny resaka nifanaovan’i Joba t@ izy telo lahy
  • Nanomboka nanamarin-tena Joba
  • And2 “Atra tsy nanome rariny ahy, Atra efa nampangidy ny aiko.
  • And5 "“Mandra-pialan’ ny aiko dia tsy hanaiky ho manan-tsiny aho”
  • Fotokevitr’i Joba : “Tsy nanota aho koa nahoana no hisedra fahoriana !?”
  • Nisy fotoana tena nanamarin-tena Joba

“Ny vokatry ny fanamarinan-tena” / Joba 27.1-10

1) Lasa miady @ A/tra

  • Ao @ toko 38-41 dia tena nanamarin-tena sy nanome tsiny an’Atra izy
  • Ny resany t@ izy 3 lahy eto koa aza dia efa nahitana izany adiny t@ Atra izany
    + And2 “Atra tsy nanome rariny ahy, Atra efa nampangidy ny aiko.
  • Fanomezan-tsiny an’Atra zany.
  • Tena manimba ny fifandraisantsika @ Atra izany
  • Tandremo fa alaim-panahy hanamarin-tena isika rehefa sedrain’Atra.
  • Nampitarazoka ny famonjen’Atra an’i Joba izany.
  • Samia mitandrina

2) Lasa manao vavaka diso

  • Mba nivavaka ihany Joba saingy vavaka manamarin-tena
  • Vavaka manozona ny hafa
  • And7 (DIEM) “Ny anjaran’ny ratsy fanahy anie no ho an’ny fahavaloko !
    Ary ny anjaran’ny olon-dratsy kosa no ho an’ny mpifanandrina amiko !
  • Hatr@ votoatin’ny vavaka nataony @ Atra no lasa nivaona
  • Nangataka t@ Atra izy mba hahazo ny anjaran’ny ratsy fanahy izay mifanandrina aminy sy izay manitsy ny fanamarinan-tenany.
  • Mivavaka isika nefa tsy hohenoin’Atra akory satria tsy araka ny sitrapony.
  • Ny Fariseo sy ny saridoseo no nanao toy izany ary nambaran’I JK mazava fa tsy ho tafiditra ny fanjakan’ny lanitra mihintsy.

3) Lasa mianiana mihintsy @ fanamarinan-tena

  • And5 “Mandra-pialan’ny aiko dia tsy hanaiky ny tenako ho manan-tsiny aho”.
  • Toa tsy afaka mba mihaino intsony fa ny azy ihany.
  • Tia mitompo teny fantatra
  • Lasa bontolo ka sarotra iresahana.
  • Tsy ara-panahy intsony isika satria tsy misy fahendrena
  • Lasa mpanandra-tena fa tsy mba manetry tena intsony.

4) Lasa mankahala ny hafa

  • Lasa mitsara ny fitondran’Atra ny hafa Joba.
  • Nampialona azy ireo ratsy toa voatahy, araka ny fijeriny.
  • Nameno fialonana sy fankahalana ny fony reo tsy mino an’Atra nefa tsy mba tratran’ny fahoriana toa azy
  • And.8-9 “Fa inona no fanantenan’ ny mpihatsaravelatsihy, raha miato ny ainy, ka tsoahan’ Andriamanitra ny fanahiny ? ”
    “Hihaino ny fitarainany va A/tra, raha ozoim-pahoriana izy ?
  • Te hilaza izy fa ianareo tsy tian’Atra akory noho izaho ary ho very any @ afobe ianareo raha maty.
  • Lasa mitsaratsara mora foana ny hafa.
  • Tsy tsaroantsika fa indraindray taratra @ firesantsika eny izany.

Teny famaranana

  • Na dia mpanompon’Atra aza Joba dia tena nanota tokoa
  • Ny Fanamarinan-tena mantsy no fara-tampon’ny ota satria fiapangana an’Atra
  • Tadidio fa ny fanamarinan-tena tsy hahazoantsika rariny eo anatrehan’ Atra na oviana na oviana.
  • Maika mampilentika sy mampahory antsika.
  • Ireo ny vokany : Simba ny fifandraisantsika @ Atra sy ny olona.
  • Ny fibebahana sy ny fifonana ihany no :
    + fanalahidy mampisokatra ny fon’Atra
    + mampitsotra haingana ny tànan’Atra
    + hanovan’Atra vetivety ny toe-po sy toe-panahintsika
    + Manatsara ny fitondran’Atra antsika, na kely na be fahotana vitantsika
  • Koa halaviro ny fanamarinan-tena.
  • Ny fandavanao hivavaka @ Atra dia efa fanamarinan-tena satria mihevi-tena ianao fa tsy nanota ary tsy misy tokony hifonanao.
  • Mazotoa miverina @ Atra sy mifona, fa voasoratra hoe :
    “Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ ny tsi-fahamarinana rehetra.

AMENA.