Ny tranon’ Andriamanitra

20:27min

Navoaka ny 10 Septambra 2020

Hagay 2.1-9
Ny tranon’ Andriamanitra

“NY TRANON’ANDRIAMANITRA”
Zava-dehibe @ Andriamanitra ny fihaonany @ olony. Raha mbola tany an’efitra ny zanak’Isiraely dia trano lay na ny Tabernakely no nampiasaina. Taty aoriana dia nikasa hanorina ny trano tempoly Davida mpanjaka ka efa nanangona ny fitaovana saingy Solomona zanany no nanomboka ny asa t@ taona 964 tal JK. Naharitra 7 taona sy tapany ny asa. Rava vetivety anefa izany t@ taona 586 BC rehefa nanafika an’Isiraely ny Babyloniana notarihan’i Nebokadnezara. Koa ny Hagay 2.1-9 dia fampaherezana ny @ hanamboarana indray ny tempoly, dia ny tranon’Andriamanitra izany.

1) SAROBIDY AMIN’ANDRIAMANITRA NY TRANONY (And.1-3)
Babo tany babylona nandritra 40 taona ny zanak’ Isiraely. Ny 538 BC vao niverina ka nanomboka nanamboatra ny tempoly. Notoherin’ny samaritana mafy izay tavela teo an-toerana anefa izy ireo ka nihakivy. Nanatsahatra ny asa nandritra ny iray volana teo. Lasa variana t@ tranony sy ny fitadiavany.
Tena nampalahelo ny Tompo izany satria sarobidy Aminy ny Tranony. Koa no nanirahany an’I Hagay mpaminany, Zerobabela governora ary Josoa mpisoronabe mba hampahery azy ireo (And.2-3).

Fantatr’i Satana ny maha-zava-dehibe ny Tranon’Andriamanitra. Izany no mahatonga azy maniraka ny fanimbana sy fandravana azy ireny. Tany Frantsa fotsiny ohatra t@ taona 2018 dia nahatratra 1063 ny fanimbana trano fiangonana, na nodorana na notevatevaina. Any Chine sy any @ ireo tany misy silamo na hindou mahery fihetsika dia misy fandravana fiango-nana saika ho isam-bolana.

Sarobidy amin’Andriamanitra ny Tranony fa aza atao tsinonsinona. Raiso ho tombontsoa lehibe ny hahazoanao mihaona @ Aminy aty an-tranony.

2) MAMPORISIKA NY FANANMBOARANA NY TRANONY ANDRIAMANITRA (And.4-5)
Nampahery ny vahoaka ireo iraky ny Tompo mba hanohy ny asa rehefa nitsahatra nandritra ny iray volana. Nandray ny tenin’I Jehovah i Hagay, t@ fotoana nifanandrify t@ fahatsiarovana ny andro nitokanan’I Solomona ny tempoly voalohany.

Nitodika t@ ireo zokinjokiny tavela tokony hahatadidy izany izy ka niteny hoe : « Iza no mbola sisa aminareo, izay nahita ity trano ity tamin’ ny voninahiny taloha? Fa manao ahoana kosa ny fahitanareo azy izao? ».

Sady manadina no mampatsiahy no mampahery ny mpanompony sy ny vahoaka Jehovah : “Nefa mahereza ankehitriny » (And.4) ka MIASA; fa Izaho no momba anareo, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro”.

Ny Adidintsika voalohany dia ny adidy ara-panahy. Tsy hahafa-tsiny antsika mihintsy ny fahasahiranana sy ny fahasarotan’ny fiainana. Ny jiosy aza vao avy babo anefa nasain’ny Tompo nanamboara ny tempoly. Diso hevitra isika raha manao hoe : “Aleo aloha mba hilamina ny fiainanay dia ho hita ihany izany adidy sy vokatra izany”. “Katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany dia hanampy anareo izany rehetra izany”.

Rehefa ny ara-nofo no ataontsika voalohany dia lasa manao tsinontsinona ny Tompo isika. Toy ilay lehilahy ao @ Lioka 12. Niezaka hahavokatra be izy. Tsy atonona hatr@ fitoeram-bokatra isan-taona ary dia niloa-bava hoe : “Ry fanahiko ô, manana fananana be voatahiry ho amin’ ny taona maro hianao; mitsahara, mihinàna, misotroa, mifalia.”. Nampalahelo ny Tompo anefa izany ka nitenenany hoe : “Ry adala, anio alina no halaina aminao ny
fanahinao, ka ho an’ iza izay zavatra noharinao ?”

3) ITOERAN’ANDRIAMANITRA NY TRANONY (And.6-9)
Tena itoeran’Andriamanitra ny tranony. “Hofenoiko voninahitra ity trano ity, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro” (And.7). Sady misy ny voninahiny no andro-tsahany ny fiadanany (And.9). Misy ny Teniny rahateo izay manana hery toy ny nisehoany t@ famoahana ny Zanak’Isiraely avy tany Egypta. Ny fara andro izay hahatongavan’ny Tompo aza dia voalaza an-kolaka ao @ And.6-9 : “Ny voninahitr’ ity trano ity any am-parany dia ho lehibe noho ny tany aloha, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro; ary eto amin’ ity fitoerana ity no ha-nomezako fiadanana, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro” (And.9). Tsy ny trano @ maha-trano no be voninahitra. Tsy ny firafitry ny trano (Architecture) koa aza fa ny voninahitr’Andriamanitra arotsany ao anatiny.

Manondro ny Mesia na Kristy koa ny Fiangonana. Efa voalazan’ity famina-nina ity fa ho avy Izy rehefa avy nampihorohoroina ny lanitra sy ny tany. Izy no tondroin’ny and.7 hoe “Ho avy izay irin’ny firenena rehetra”. Vatany man-tsy ny fiangonana ary Izy no lohany.

TENY FAMARANANA
Ny Tranon’Andriamanitra dia fihaonantsika Aminy, hahitantsika ny voninahiny, handraisantsika ny fiadanany sy ny tsodranony. Koa samia saro-piaro ny @ izany isika. Amena