NY LALANA : ILAINA FA TSY FEPETRA

17:25min

Navoaka ny 1er Oktobra 2020

1 TIMOTY 1.5-11
« NY LALANA: ILAINA FA TSY FEPETRA »

TENY FAMPIDIRANA
Nosoratan’I Paoly ho an’I Timoty, zanany ara-panahy, ity epistily ity. Tsy maintsy hanohy ny diany any Makedonia (Avaratr’i Grèce ankehitriny) izy ka nasainy nijanona hitondra ny fiangonana naoriny tao Efesosy I Timoty. Efesosy rahateo tanan-dehibe tany Turquie t@ izany. Vao naorina nefa dia tratran’ny fampianaran-diso.

1) ILAINA HO AMIN’NY FITSIPI-PITONDRAN-TENA NY LALANA
Misy misora-tena ho mpampianatra momba ny lalàna (And.7), tia miady hevitra lava reny (And.6). Ambonin’izany dia mbola nanindraindra ny fomban-drazana samihafa izy ireo, indrindra fa ny momba ny famorana, izay lasa fepetra hahatongavana ho isan’ny voavonjy.

Ataon’ny sasany ho biby fampitahorana indraindray ity fomban-drazana ity. Lazaina fa voaozona na tsy hahazo fitahiana isika raha tsy manaraka ireny. Tsy ratsy avokoa akory ny fomban-drazana. Tena tsara ohatra ary tokony hotohizana ny famangiana manjo sy ny fanolorana fao-dranomaso. Efa maro tokoa ny mino zay manorina trano sy fasana no tsy mety mamonjy mpimasy intsony fa manatanteraka fotoam-bavaka fotsiny ihany. Tena voatahy izy ireny sy ny taranany.

Tena ilaina ny lalàna hoy Paoly (And.8) satria mampibaribary ny ota ka misarika antsika mba hibebaka. Mampiharihary ny faharatsian’ireo mpandika lalàna sy maditra koa izy. Voatanisa ao @ And.9-10 ireo.

Jesoa Tompo dia nampirisika ny olona hankatoa ny lalàna, eny miantso antsika hanao mihoatra noho izay takian’ny lalàla aza. “Efa renareo fa voalaza tamin’ny ntaolo hoe: Aza mamono olona; ary izay mamono olona dia miendrika hohelohi-na amin’ny fitsarana, fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Izay rehetra tezitra @ rahalahiny dia miendrika hohelohina @ fitsarana”.

2) TSY FEPETRA HO AMIN’NY FAMONJENA NY LALANA
Paoly dia mpahay lalàna tsara satria Fariseo izy fahiny. Nanamafy ny maha-zava-dehibe ny lalàna izy saingy nahatakatra tsara kosa fa tsy ny fiezahana hanaja ny lalàna no hahavonjy azy @ ota sy ny fanandevozany. Tsy izany no hahavonjy ny fanahiny.

Tsy hisy ho voavonjy isika raha ho tsaraina araka ny lalàna. “Fa ny ota no fanindronan’ ny fahafatesana; ary ny lalàna no herin’ ny ota” (1 Kor 15.56). Tsy nanohitra ny lalàna I Paoly saingy nanohitra kosa ny fihevitry ny jiosy sasany izay milaza fa ho an’ny jiosy sy izay voafora ihany ny famonjena araka ny lalàna. Tsia, “Ny marina @ finoana no ho velona” (Rom 1.17).

Tsy fepetra ny lalàna rehefa resaka fahazoana famonjena. Ny fandraisana an’I Jesoa Kristy ho Tompo sy Mpamonjy @ alalan’ny fibebahana sy fanoloran-tena ho Azy ihany no mahavonjy. Efa nanao sorona ny ainy Izy mba hisolo voina antsika sy ny otantsika. « Raha avy @ lalàna ny fahamarinana, dia maty foana Kristy” (Gal 2.21).

Toy ny arofanina @ lavarangana sy ny tohatra fiakarana ny lalàna. Rehefa mahafehy tena tsara ianao, na dia avo aza ny rihana hiakarana dia tsy mila arofanina akory rehefa mitandrina tsara.

TENY FAMARANANA
Raha resaka famonjena dia eo ambanin’ny fahasoavana isika noho ny @ Kristy izay efa maty sy nitsangana t@ maty ho antsika. Raha resaka fitsipi-pitondrantena kosa dia mila ny lalàna isika mba hampatsiahy antsika hatrany fa mila mibebaka sy mankatoa ny Tenin’Atra. Amena.