NY FANOMEZAM-PAHASOAVANA SAMY HAFA

25:51 min

Navoaka ny 6 Jolay 2020

1 Korintiana 12.1-11; 27-30
NY FANOMEZAM-PAHASOAVANA SAMIHAFA
Ny Fanomezam-pahasoavana dia fanomezana avy @ Fanahy Masina natao hanaovana ny asan’Andriamanitra eo sy @ anaran’ny fiangonana. Asan’ny Fanahy iray ihany ireny fa zarazarain’ny fanompoana samihafa fotsiny (And.11). Indreto avy izy ireo.

1) NY FAMINANIANA (And-28)
Tsy ny filazana ny ho avy akory no tena heviny fa fanambarana ny Tenin’Andriamanitra, izay sady mampatsiahy ny lasa, mampitodika @ ankehitriny ary manomana ny izay hiseho @ ho avy. Ny fitoriana teny izany raha tsorina. Misy olona tena nomen’ny Tompo Fanomezam-pahasoavana hanao izany.

2) NY FANOMPOANA (And.5)
Ny teny hoe « Diakona » no anondroana azy mazàna. Tena natao hanatanteraka ireo fanompoana takian’ny filan’ny fiangonana ireo, toy ny fikarakarana latabatra t@ andron’ny apostoly (Asa 6). Ambonin’izany ny fanompoana @ alalan’ireo sampan sy fikambanana samihafa, ny fitendrena zava-maneno, ny fikirakirana fanamafisam-peo sy ny lafiny ara-teknolojia, ny fitoriana @ alalan’ny hira…

3) NY FAMPIANARANA (And.28).
Mizara sy mampianatra ny fahalalana an’Andriamanitra sy ny teniny. Mazava sy mampahery kokoa ny Tenin’ny Tompo rehefa arahina fanazavana. Ny olona nomena azy ity dia mahay mamantatra izay fampianarana na fihetsika tsy avy @ Fanahy (And.10) . Tonga @ tenin’ilay tandapa Etiopianina sahirana namaky ny Soratra Masina hoe : “Hataoko ahoana no fahay, raha tsy misy mampianatra ahy ?”

4) NY FAMPAHEREZANA (And.8)
Manana teny fahendrena, hoy ny voasoatra ny olona nomena azy ity. Mahay mamantatra ny sitrapon’Andriamanitra @ toe-javatra iray rehefa midinika aminy isika. Mila fitiavana, faharetana, fahendrena izany. Mahataona olona hibebaka sy hanolo-tena ho an’ny Tompo izy. Mazàna @ alalan’ny dinika samihafa sy fitondrana am-bavaka no hanatanterahiny izany.

5) NY FAHAFOIZANA (And.28)
Nantsoina hanome daholo isika @ izay efa nanomezan’ny Tompo antsika, araka ny voasoratra hoe : “Tsarovy Jehovah Andriamanitrao, fa Izy no manome anao hery hahavory harena” (Deo 8.18a). Misy olona kosa anefa tena notolorana izany fanomezam-pahasoavana hahafoy mihoatra noho ny hafa izany @ fanohanana ny asan’ny Tompo.

Nisy hatrany olona na ankohonana nanome : tany hanorenana fiangonana, trano fiangonana, dabilio, fanaka sy fitaovana samihafa, fiara ho an’ny mpanompon’Andriamanitra, sns. Maro amin’izy ireny no nanome t@ fitiavana ary mahatsiaro fifaliana manokana afa-nanao izany. “Misy mahafoy, nefa mitombo fananana ihany; ary misy fatra-pahihitra loatra, nefa tonga malahelo ihany” (Oha 11.24).

6) FAHAIZA-MITARIKA (And.28).
Misy olona omen’ny Tompo fahaiza-mitarika sy mandamina, ary mila izany ny fiangonana, raha tsy izany tsy hisy fiainam-panahy sy fandrosoana. Na samy nianatra aza dia hita fa misy nantsoina manokana ho amin’izany. “Ny fahaizana mandamina tsara no entonao miady » (Oha 20.18b).

7) ASA FANAMPIANA (And.28).
Misy olona raha vao mahita zokiolona sahirana, na mamindra aza, dia manatona manampy; raha mahita maratra dia mikarakara, raha vao mahafantatra mpivavaka tra-boina dia manampy. Fanomezam-pahasoavana izany. Mila olona toy izany tokoa ny fiangonana satria isika no tenan’ny Tompo ety an-tany.

8) FANASITRANANA (And.9)
Tsy araka ny fomba siantifika na @ alalan’ny fanafody akory fa tena fanasitranana @ anaran’i Jesoa Kristy. Miankina Aminy koa ny fahasitranana. Ny mpitondra fivavahana sy ny mpiandry dia fitaovana ihany @ izany. Mila miasa @ finoana ireo satria @ anaran’I Jesoa Tompo no hanaovany izany. Ny Tompo izay manasitrana kosa no tompon’ny fanapahana raha ho sitrana na tsia, toy izany koa ny fotoana. Miankina indrindra @ finoana sy ny fanoloran-tenan’ilay marary anefa izany fahasitranana izany. Efa niseho hatr@ andron’ny apostoly izany, tahaka izay nahasitrana ilay lehilahy nalemy tongora tao Lystra (Asa 14.8-10).

9) FITENY AMIN’NY TENY TSY FANTATRA
Misy fiteny roa samihafa tsara avahana momba azy ity. Ny voalohany dia “Xénolalie”. Io dia fitenenana teny vahiny na dia tsy nianarana aza. Io no niseho t@ Pentekosta voalohany teo @ apostoly. Azon’ny Tompo ampanaovina ny olony tokoa izany @ fotoana ilàny izany.

Ny faha-roa dia “Glossolalie”. Fiteny tsy fantatra ara-bakiteny izy ity fa izay tonga ao am-bava fotsiny. Natao hampandroso ny tsirairay ihany (1Kor 14.4) fa tsy ny fiangonana iray manontolo. Efa niteraka olana teo @ fiangonana voalohany mantsy izy ity ka nahatonga ny apostoly Paoly nanoratra hoe aleo tsy miaraka miteny ary hangina mihintsy aza raha tsy misy mahay mandika azy (1 Kor 14.27-28 ).

Misy izay tandrify ny tsirairay avy eo @ fiangonana ny fanomezam-pahasoavana, koa mazotoa mampiasa fa aza malaina. “Ary na inona na inona ataonareo, dia ataovy amin’ ny fo, tahaka ny ho an’ ny Tompo, fa tsy ho an’ olona, satria fantatrareo fa ny Tompo no handraisanareo ny lova ho valiny; fa manompo an’ i Kristy Tompo ianareo”. AMENA