ENJEHINA NEFA TSY NAFOY

22:33min

Navoaka ny 11 Aogositra 2020

DANIELA 6.17-25
« ENJEHINA NEFA TSY NAFOY »

Teny fanalahidy : Aumônerie malagasy

TENY FAMPIDIRANA
Ny Bokin’I Daniela dia nosoratana tany @ taona 530 BC tany ho any. Mirakitra ny fiainan’ny jiosy babo tany Babylona, Irak ankehitriny izy ka anisan’ireny ny nanipazana an’i Daniela tao an-davaky ny liona araka ny
Daniela 6.17-25.

1) MBOLA ENJEHINA NY MINO
1.1) MISY MPIALONA MITETI-DRATSY ISIKA (v1-15)
Tsara ampatsiahivina ny antony nanipazana azy tany an-davaky ny liona. Rehefa nikasa hanendry an’I Daniela ho lehibe hifehy ny fanjakana rehetra i Dariosa, mpanjakan’ny Babylona dia nialona azy ireo solom-panjaka sy ko-mandy lehibe naira-niasa taminy ka nitady izay hiampangany azy. Noho ny fahitan’izy ireo fa mazoto mivavaka @ Jehovah I Daniela dia namporisika ny mpanjaka hanao lalàna sy didy mafy izy ireo. Izany lalàna izany dia man-drara ny olona tsy hangataka zavatra afa-tsy @ mpanjaka ihany ao anatin’ny 30 andro. Izay mandika izany dia hatsipy ao an-davaky ny liona.

LESONA
Misy foana mpialona foana isika rehefa mijoro @ fahendren’Andriamanitra. Tsy olona lavitra fa eo akaiky anao. Mazàna mpiara-monina, mpiara-miasa na mpiara-mianatra. Tsy mipetra-potsiny izy ireny fa mitady fomba hamin-ganana.

1.2) MBOLA IHARAN’NY HERISETRA (v17-18)
Rehefa nahita ireto mpialona fa mbola nandohalika nivavaka sy nangataka t@ Jehovah in-telo isan’andro Daniela dia notoriany tany @ mpanjaka. Tezi-tra ity farany ka nanipy azy tany an-davaky ny liona.

LESONA
Mety mbola hiharan’ny herisetra isika mino. Manamarina izany ny tanta-ran’ny fiangonana Kristiana hatramin’izao. “Atỳ amin’ izao tontolo izao no hahitanareo fahoriana ; nefa matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao”.

Iharan’ny herisetra am-bava koa isika. Tao anatin’ny fahatezerany ny mpan-jaka no niteny hoe : “Atrao Izay tompoinao anie hamonjy anao” (And.17). Aza atao mahagaga raha mbola hiharan’ny eson-teny sy teny maharary isi-ka.

2) TSY AFOIN’ANDRIAMANITRA NY MINO
2.1) IASAN’A/TRA NY TOMPON’ANDRAIKITRA
Nokasihan’ny Tompo ny fieritreretan’i Dariosa hany ka tsy nahasakafo, tsy nanaiky nampidirina zava-maneno ary tsy nahita tory izy (And.9). Tsy andri-ny izay nahatongavan’ny maraina. Marina tokoa ny tenin’ny Tompo hoe : “Indro, Izaho no Jehovah, Andriamanitry ny nofo rehetra; moa misy zava-mahagaga izay tsy haiko va ? (Jer 32.27).

Ry Havana, fantry ny Tompo io fanenjehana manjo anao io. Manaiky ny hi-sedrantsika izany Izy saingy efa mahalala ny hevitra hiheverana anao avy eo. Miasa @ tompon’andraikitra, na ny mpialona sy mpanenjika na izay afa-ka hamaha antsika @ izany geja izany Izy. Matokia fa tsy voatery hampaha-fantatra izany ana isaky ny mandeha Izy.

Indro fa nifoha maraina be Dariosa mpanjaka. Nanatona haingana ny lava-ka nisy an’I Daniela izy ka niova malefaka ny feony nanontany hoe : “Ry Daniela, mpanompon’ Andriamanitra velona ô, novonjen’ Andriamanitra tamin’ ny liona ve ianao ?

Namaly moramora Daniela hoe :: “Atra efa naniraka ny anjeliny ka nana-kombona ny vavan’ ny liona tsy handratra ahy, tsy nanao ratsy taminao, ry mpanjaka ô”. Koa faly ny mpanjaka ka nasainy nakarina avy ao an-davaka Daniela.

Novain’ny Tompo araka izany ny fon’ny mpanjaka. Ao @ and.26-29 aza dia izy mihintsy no nidera sy nitory an’I Jehovah ho lehibe t@ fanjakana rehe-tra.

Ry Havana,tsy takatry ny saintsika ny fihevitr’Andriamanitra. Izay no dikan’ ilay hoe : “Miasa Aho, ka iza moa no mahasakana izany ?”

2.2) AROVAN’ANDRIAMANITRA NY MINO
Hoy Daniela eo @ and.23: « Andriamanitro efa naniraka ny anjeliny ka nanakombona ny vavan’ ny liona tsy handratra ahy ». Niatrika liona nandri-tra alina maizina izy saingy nahitany ny herin’ny vavaka koa izany satria tsy nisy naratra na dia kely akory aza. “Eny, hatramin’ izany andro izany Izaho no Izy, Ary tsy misy maharombaka amin’ ny tanako” (Isa 43:13).

LESONA
Mety matahotra ihany isika raha nilazana fa mbola enjehina, misy mpialona miketrika faminganana ary mbola hiharan’ny herisetra. Tsarovy anefa fa ha-nirahan’ny Tompo ny anjeliny ianao ao anatin’ireny. “Ny Anjelin’ i Jehovah mitoby manodidina izay matahotra Azy ka mamonjy azy”. Tsy mba teniteny fotsiny izany. Akombony eo anolonao ny vavan’ny loza maro ka tsy haha-kasika anao izany, rehefa sitrany. Mety misy izay maharary anao fa tsy iza-ny no tompon’ny teny farany.

Manamarina izany ny fijoroan’I Paoly hoe : “Voageja manodidina izahay, nefa tsy tery; very hevitra, nefa tsy mamoy fo; enjehina, nefa tsy nafoy, po-traka, nefa tsy maty” (2 Kor 4). Raha tonga koa aza ny fahafatesana, dia ma-toky ilay niteny isika hoe : “Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray” (Jao 11.25).

TENY FAMARANANA
Mbola enjehina ianao fa tsy afoin’Andriamanitra. Koa matokia Ilay miteny aminao indray anio hoe : “Fa Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo dia hevitra hahatonga fiadanana, fa tsy loza, mba hanome anareo fanan-tenana ny amin’ ny farany”. Amena