Manome tsirony ny fiainana

32:48min

Navoaka ny 7 Jona 2020

Alahady 7 Jona 2020
Sal 133
“Ny voka-tsoa azo avy amin’ny fivavahana”

Teny fanalahidy : Aumônerie malagasy

Teny fampidirana

Davida mpanjaka no nanoratra ity salamo ity raha naneho ny hafaliany mahita zanak’isiraely ravoravo tonga miara-mivavaka tao Jerosalema. Inona tokoa ny voka-tsoa azo avy amin’ny fivavahana @ Tompo ?

1) Mitondra fifankatiavana ny fivavahana

Sady gaga no faly mahita ny jiosy avy @ foko 12, avy eo an-toerana sy avy any am-pielezana tafavory ao Jerosalema mba hivavaka @ Tompo Davida. Izany no nahatonga azy niteny hoe : “Endrey, tsara sady mahafinaritra raha ny mpirahalahy no miara-monina” (And-1). Ireo tonga tao @ Tempoly koa tena velombelona ny fanahiny ary hita teny @ endriny ny hafaliana.

Ry havana, mino aho fa nahatsapa izany fifaliana manokana izany koa isika rehefa mandeha any am-piangonana, indrindra tao aorian’ny fandrarana noho ny fihibohana.

Nanjary sarobidy tamin’ireo jiosy ny fihaonana ka nitondra ho azy ireo fifankatiavana hafa kely. Harena sarobidy io fifankatiavan’ny mino io. Ao am-piangonana, no anorenan’ny Tompo ny fiombonana tsara indrindra (Koinonia). Tsy nofinofy fa fiainan’ny fiangonana kristiana hatr@ 1er zany (Asa 2.46).

Ny diloilo no hanoharana ny hatsaran’izany fifankatiavana izany ao @ and-2 : « Tahaka ny diloilo tsara amin’ ny loha, Izay mitsororoka amin’ ny somotra, dia ny somotr’ i Arona”. Menaka manitra mamerovero (Huile parfumée) izy io no tena marina. Menaka oliva tsy mifangaro no nolaroina zava-manitra (Eks 30.23). Ilomanitra, hoy ny DIEM.

Io ilomanitra io no nampiasaina t@ fanokanana mpanjaka sy mpisorona teo @ Isiraely. Ny fanokana an’I Arona ho mpisorona no tena nasongadina eto (Eks 29.4-7). Fanosotra ny vahiny ho fanomezam-boninahitra sy fanehoana fifaliana koa izy io, araka ny nataon’ilay vehivavy mpanota t@ tongotry ny Tompo (Lioka 7.46).

Zavatra fitsiriritra teo @ jiosy tokoa izany atokana hanao ny asan’ny mpisorona izany ka nahatonga azy atao fanoharana eto noho ny hatsarany. Sady mitondra ny olona ho akaiky ny Tompo izy no mitondra azy ireo koa @ fiombonana sy fifankatiavana.

Ny fanokanan-tena hanompo ny Tompo no tena tsara ary ny fivavahana Aminy no tena mitondra fifankatiavana tsara indrindra. Izy Tompo mihintsy no manome sy mamboly izany, araka ny voasoratra hoe : “Izao no ahafantarantsika ny fitiavana, satria Izy no nanolotra ny ainy hamonjy antsika ; ary isika kosa mba tokony hanolotra ny aintsika hamonjy ny rahalahy” (1 Jao 3.16).

2) Manome tsirony ny fiainana ny fivavahana

Tsara sy mahafinaritra tokoa hoy ny and-1. Tena mitondra fifaliana hafakely, mitondra tsirony eo @ fiainana ny fivavahana @ Tompo. Lasa mahafinaritra ny miaina satria « voadidin’ i Jehovah ho eo ny fitahiana, dia fiainana ho mandrakizay” (And-3b).

Ny ando avy @ tendrombohitra Hermona moa no nanoharana koa ny hatsarana eto araka ny voasoratra hoe : “Tahaka ny ando any Hermona, izay milatsaka amin’ ny tendrombohitra Ziona” (And-3a).

Io no tendrombohitra avo indrindra tao Isiraely (2760 m). Mitahiry ireo ranon’orana sy ranon’ ando mirotsaka, na @ main-tany aza. Ao no teraka ireo sampan-drano mamelona ny reniranon’I Jordana. Izy koa no manome rano ivelomana ho an’ireo vohitra iva rehetra manodidina.

Rehefa tsara ny fiarahana @ Tompo dia tonga manana fifaliana anaty te hiaina ny olona (La joie de vivre). Lasa mahafinaritra ny olona ny mijery ny zava-boahary, dia ny tendrombohitra sy ny ando arotsany. Mahafinaritra koa ny mahita olona (Ireo mpiara-mivavaka). Lasa mitondra fifaliana avokoa zay jerena.

Rehefa lavitra ny Tompo kosa ny olona dia toa mahakirina ho azy ny fiainana (Mal-être). Zay rehetra jerena mahakiriana avokoa, na ny zavaboazy na ny olona. Hanitsanana ny ngidim-piainana zay rehetra mifanehitra @ tena, na @ alalan’ny fihetsika izany na @ alalan’ny soratra ao @ tamban-jotra. Zany no anton’ny korontana sy tsi-andriampahalemana hitantsika etsy sy eroa. Tsy misy fo intsony manala ain’olona @ alalan’ny fitsaram-bahoaka.

Teny famaranana

Toy ny tendrombohitra ao Ziona isika : Mandray sy mitahiry orana foana na @ main-tany aza. Mahatsiaro mandray fitahiana foana na @ fotoan-tsarotra aza. Sady mizara izany @ manodidina azy, izany hoe mitondra fitahiana ho an’ny hafa. Tokony hahataona ny manodidina hahita ny fahatsaran’ny Tompo sy ny zavaboariny isika. Mazotoa àry mivavaka. Amena.