MAMPAHERY NY OLOM-BOAFIDIKO AHO

18:26min

Navoaka ny 18 Aogositra 2020

Josoa 1: 1 – 9
MAMPAHERY NY OLOM-BOAFIDIKO AHO

Rehefa avy niresaka an’i Daniela isika tapa-bolana lasa izay dia handeha hiresaka an’i Josoa indray.Ny bokin’i Josoa, dia nosoratana tamin’ny taonjato faha-10 talohan’I Jesoa Kristy. Ity toko volalohany ity dia isan’ny mitantara ny nahazoan’ny Zanak’i Israely ny tany nampanantenain’Andriamanitra azy, dia ny tany Kanana.

Iza moa i Josoa zanak’i Nona? Mpitarika vaovao nandimby an’i Mosesy teo amin’ny Zanak’Israely: Josoa izay efa hitantsika, fony izy mbola tanora, niady tamin’ny amalekita (Eksodosy 17:9, 10), nianatra teo anilan’i Mosesy (Eksodosy 33:11), isan’ny mpanompon’i Mosesy (Nomery 11. 28). Nofanina nandritra ireo taona lava tany an’efitra izy, ary izao dia nantsoina hiantsoroka andraikitra goavana dia ny fitarihana ny Zanak’Israely. Raha hiatrika izany izy, dia mbola nampaherezin’Andriamanitra indray (and 6, 7, 9).

Izaho sy ianao koa dia nantsoin’Andriamanitra hiantsoroka andraikitra goavana toa an’i Josoa, fantaro ny antom-pisinao ? na eo anivon’ny tokatrano (ray, reny, zanaka) fiaraha-monina, asa fivelomana, ao anatin’ny fiangonana,eo anivon’ny firenena dia misy adidy sy andraikitra izay tena sarotra, fiainana sarotra izay lalovantsika (Iza moa no tsy mikaikaika hoe sarotra ny fiainana?). Eo anatrean’izany anefa dia tsy mijery fotsiny Andriamanitra fa toa an’i Josoa dia miteny aminao indray ny Tompo manao hoe : MAMPAHERY NY OLOM-BOAFIDIKO AHO.

Ny atleta iray ry havana dia manana ny atao hoe caugh mpanazatra (tantara Kobe Bean Bryant) na entrainement na match na inona dia manaraka ilay atleta eny foana ny caugh (mpanohana am lafiny rehetra izy io na technique na plan na moral) ary tena miantoka ny fahombiazanan’ilay atleta am fomba rehetra. Toa an’ny atleta dia nanana caugh ihany koa i Josoa dia Andriamanitra, te hambahomby, te hambandresy azy.

1. Manome antoka (Garantie) ny teny fampanantenana izay omen’Andriamanitra (and2)
I Josoa no hitarika ny Zanak’Israely hiditra ny tany Kanana. Tsy moramora nefa izany mitondra firenena izany.Asehon’ilay caugh\Andriamanitra mazava tsara amin’ny teniny eto fa azo antoka ny fiainan’ny olomboafidiny, azo antoka ny fitondran’Andriamanitra ny olona nomeny andraikitra.

Marihina fa mbola tao amin’izany tany izay ny Amalekita. Misy ady atrehina noho izany. Mazava anefa ny teny fankaherezana, mazava ny teny fanomezan-toky: hivoaka ho mpandresy amin’ny ady sarotra tsy maintsy atrehiny i Josoa sy ny vahoaka ahazoany mandova ny tany Kanana satria Andriamanitra no momba azy ireo, Andriamanitra no miady, Andriamanitra no miandany aminy (and.5 …)

Ny Zanak’Israely manitsaka, mahita, manatri-maso ny tany Kanana izay ilay antoka/Garantie omen’Andriamanitra. Tsarovy fa ho anao ihany koa misy anjara efa nosoritan’Andriamanitra ho anao dia ny tena fiainana,satria olom-boafidiny ianao dia ataony miavaka. Raiso, henoy tsar any tenin’Andriamanitra fa mampahery anao sy manolotra ny tena fiainana ho anao Izy.
Ry Havana malala, ny olomboafidin’Andriamanitra, ny olona omen’Andriamanitra andraikitra dia ampahereziny. Andriamanitra/Jesoa Kristy no caugh eo am-piatrehina ny match rehetra, mba tsy hangaihay eo am-panatanterahana ny asany (izaho sy ianao izany). Tena asehon’Andriamanitra fa izay voasoritra ho anjara ho an’ny olony/ho antsika dia tanterahiny tokoa, eny asehony fa miasa amin’ny fomba rehetra Izy.

2. Manoro ny lalam-pahombiazana
Amin’ny maha caugh an’Andriamanitra eto dia manome ny directive an’i Josoa Izy. Na dia efa naseho tamin’i Josoa aza ilay tany garantie, ilay tany nomen’Andriamanitra ho lova ho an’ny Zanak’Israely dia indro Andriamanitra manoro ny lalam-pahombiazana. Tsy hoe tsy hiasa hikarakara azy ireo intsony Andriamanitra satria efa tonga amin’ny tany kanana izy ireo. Tsy hoe rehefa tonga any amin’ny tanjona ilay atleta dia vita ny adidin’ny caugh.

Mampahafantatra an’i Josoa Andriamanitra fa mbola misy ady tsy maintsy atrehina. Fa mba ahatanteraka ny tanjona kendrena dia misy toro-marika aroso. Misy andraikitra takiana amin’i Josoa arak any andininy faha 7/8.

Toromarika ho amin’ny fahombiazana eto di any hoe:

Fikiro ny tenin’Andriamanitra (and 7) ►Mitandrina ny lalana, mivelona amin’ny fitsipik’Andriamanitra amin’ny fiainana sy ny atao rehetra, mianatra, mandinika, mandalina amin’ny fotoana rehetra ny Tenin’Andriamanitra hitondrana ny fiainana. ► manahaka an’i Jesoa Kristy.Izany no hahatonga fanambinana, fandresena, fiainam-pahombiazana, fiainam-piadanana izay tsy ananan’izao tontolo izao.Ny mpanao salamo dia milaza hoe Fanilon’ny tongotro Sy fanazavana ny lalako ny teninao. Salamo 119: 105

Miampita amiko sy aminao ny tenin’Andriamanitra/directive omen’ny Tompo izany: mila mifikitra am teniny fa izany no lalam-pahombiazana (toriteny,mamaky baiboly,youtube).

Endrey ity fitiavan-dehibe asehon’Andriamanitra amintsika satria efa nanome antoka ny amin’ny ho avy izy (garantie), dia omeny ny toro-marika (directive) handraisan’ny olona fiainam-pahombiazana avy amin’izany.

Manana mpanazatra caugh mahay ny zavatra rehetra izao sy ianao dia I Jesoa Kristy Tompo.
ANIO DIA MANAVAO NY FITIAVANY ANTSIKA NY TOMPO/MITENY MANAO HOE: “Koa Mahereza sy mahatanja, aza matahotra na mivadi-po fa momba anao Jehovah andriamanitrao amin’izay rehetra alehanao’’.