MAHAY MITARIKA

20:25min

Navoaka ny 3 Septambra 2020

MARKA 10.32-34
«MAHAY MITARIKA»

1) MIROTSAKA MIALOHA
1.1) MIERITRERITRA MIALOHA
Teny an-dàlana mitarika ny mpianatra hankany Jerosalema Jesoa. Efa mahalala mialoha ny zavatra hiseho rehetra Izy araka izay nambarany eo @ and.33 fa hohelohina ho faty Izy saingy hitsangana kosa @ andro faha-telo. Efa nieritreritra mialoha izay fomba hiatrehana izany sy ny hanambarana izany @ mpianatra Izy zay vao nitarika azy ireo hiaraka Aminy nankany Jerosalema. Tena Mpitarika mahay sady modely Izy.

Filoha no fiantso ny mpitarika mahazatra antsika. Loha no fototenin’izany. Nomen’Andriamani-tra andraikitra manokana eo @ vatana ny loha. Izy no mibaiko ny rantsana rehetra vao misy fihetsika iray vita. Mpitarika avokoa na ny loham-pianakaviana, na ny reny, ny zoky, ny mpanabe, ny mpitondra fikambanana, ny mpitondra firenena isan-tsokajiny. Tadidio fa ny mpampianatra mahay mitarika sy mampita dia izay efa nieritreritra mialoha ny zavatra ho ampitainy, izany hoe tsara fanomanana (Préparation).

Koa meteza koa isika mba hanadihady sy handalina mialohan’ny hanao zavatra. Manokàna fotoana hieritreretena sy handinihana mialoha izay ho atao. Manàna fahazarana manoratra mihintsy ny tokony hatao.

1.2) MIALOHA AMIN’NY FANATANTERAHANA
Na dia nahalala mialoha aza Jesoa fa ho helohina sy ho ampijaliana dia tsy mba nandositra na niferin’aina, fa Izy mihintsy no mitarika ny dia avy eo aloha (And.32). Izy no mitarika @ fanatanterahana ny iraka lehibe izay nanirahan’ny Ray. Tena miara-dàlana t@ ireo tarihany ka niara-misento sy nizaka ny mafy taminy. Izany no maha-Mpitarika mahay Azy.

Ry ray aman-dreny ! Ilaina ny miteny sy mananatra @ maha-mpitarika antsika, fa tsara sy mahomby lavitra rehefa isika mihintsy no mirotsaka voalohany ho modely. Manaraka ho azy ny zanantsika @ izay. Mety ho sarotra mantsy ny manentana ny zanantsika hivavaka raha isika àza tsy mba mankany am-piangonana akory. Raha isika no mirotsaka voalohany mandeha mivavaka dia tsy voatery hiteny akory fa dia mety hanaraka ho azy ireo zanantsika. Raha eo anilany isika miara-misedra ny olan’izy ireo dia hahery sy ho tafita izy ireo. Izany no tena fahaizana mitarika.

Haintsika rehetra I Nelson MANDELA, lay mpanao politika Afrikana tatsi-mo, mpitarika mahay nanamarika ny faraparan’ny taon-jato faha-20 sy ny fiandohan’ny taonjato faha-21. Niady mafy t@ fanavakavaham-bolokoditra izy ka nisedra ny mafy noho fifikirany t@ izany foto-kevitra izany satria nogadraina nandritra ny 27 taona. Tonga filoham-pirenen’i Afrika atsimo anefa izy t@ taona 1994. Mba hampaherezany izay misedra ny mafy rehetra toa azy ka te hahomby @ fitarihana dia izao no teny malaza nataony t@ nametrahana azy ho filoha : “Rehefa mandrehitra ny jironao ianao dia mam-pirisika ny hafa mba hanao toy izany koa”. Ny mahay mitarika dia izay mo-dely @ fanatanterahana.

2) MANOMANA MIALOHA NY TARIHINY
2.1) MANANA VINA
Mazava ny vinan’i Jesoa kristy : Hanafaka ny olona @ gejan’I Satana sy ny handovany fiainana mandrakizay. Ny fitsanganany avy t@ maty no hetsika farany teto an-tany nanatanterahiny izany araka ny and.34b : “Fa rehefa afaka hateloana, dia hitsangana indray Izy”. Ny fitsanganan’ny Tompo t@ maty dia mahafaoka zavatra maro : ny sorona nataony teo ambony hazofijaliana sy ny fandresena an’I Satana ary ny fampidirana mankany @ fanjakan’ny lanitra.

Mila manana vina tsara toa azy koa isika. Ny vina mantsy dia toy ny jiro lehibe (Phares), manazava ny làlana ary mitondra ny sambo sy ny fiara-manidina @ seranana. Mangataha tolo-tsaina avy @ Tompo hahitanao izany satria Izy efa nanome toky hoe : “Hanome saina anao sy hampia-natra anao izay làlan-kalehanao Aho” (Sal 32.8).

2.2) MAHAY MANDRESY LAHATRA
Efa fanin-telony izao no nanambaran’I Jesoa t@ mpianany izay hiaretany. Nahay nandresy lahatra azy ireo Izy hanaraka Azy na dia zava-tsarotra toko-ny hahakivy aza no tsy maintsy nambara. Izany hoe nilaza tsikelikely no sa-dy namerimberina izay tokony ho lazaina Izy. Hainy koa ny nifidy sy nitsin-jara ny fotoana tokony hilazana azy.

Mila mahay mandresy lahatra tahaka an’I Jesoa koa isika. Adidintsika rehetra, na ankizy na tanora, na ray aman-dreny na zanaka izany. Ny fijoroantsika anefa no mahomby lavitra noho ny teny atao.

Mpilalao baolina kitra iray ao @ FC Bayern izay vao tompon-dakan’ny « Ligue des champions », antsoina hoe David ALABA, dia nahavita fijoroana tena nandresy lahatra. T@ fotoana izay nanolorana ny amboara mantsy dia nanao akanjo izay nisy soratra izy hoe : "Ny heriko dia ao amin’i Jesoa” (Meine Kraft liegt in Jesus). Sady nandohalika teo anilan’ny amboara izy no nanondro ny lanitra @ izany. Maro moa ny mpanao gazety nanatrika ka niparitaka haingana t@ haino aman-jery sy ny tambajotra-tserasera ilay fihetsika ka nahataona tanora maro ho an’I Kristy satria tena nahay nandresy lahatra izy.

Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra. Amena.