MAHAY MANDAMINA FOTOANA

13:05 mins

Navoaka ny 18 Jona 2021

Toriteny fampianarana natao ny alahady 14 Martsa 2021, alahady voalohany amin’ny fihibohana noho ny ady amin’ny “covid 19”, natao teto amin’ny Nosy Maurice.

“MAHAY MANDAMINA FOTOANA”
Raha vao manokatra ny baiboly isika dia io resaka fahaizana mandamina fotoana io no hitantsika raha nahary izao rehetra izao tao anatin’ny enina andro monja Andriamanitra. Rehefa tsy voalamina ny fotoanantsika dia tsy hisy fahombiazana sy fifaliana ny fiainantsika. Sehetra dimy no tokony hanokanana fotoana sy handaminana azy.

1) Fotoana ho an’Andriamanitra
2) Fotoana ho an’ny ankohonana
3) Fotoana ho an’ny fiangonana
4) Fotoana ho anao
5) Fotoana ho an’ny asa

Zava-dehibe ity fahaizana mandamina fotoana ity. Ho avy ny Tompo hitsara antsika. Resaka fotoana koa izany. “Mandehana amin’ ny fahendrena amin’ izay ao ivelany, hararaoty ny andro azo anaovan-tsoa” (Kolosiana 4.5). Amena.