JEREO TSARA NY NAMANA

20:11min

Navoaka ny 25 Aogositra 2020

2 TIMOTY 4.9-18
JEREO TSARA NY NAMANA

TENY FAMPIDIRANA
Manakakiky ny hahafatesan’ny Apostoly Paoly ary tsy matahotra izany koa izy arak any teniny hoe “Fa izaho dia efa hatolotra sahady, ary efa mby akaiky ny andro fialàko” (And.6). Manao jery todika ny fifandraisany t@ namany rehetra kosa izy eto @ 2 Tim 4.9-18 ka sady mananatra an’I Timoty sy ny mpino rehetra ny @ izany hoe “Jereo tsar any namana”.

1) MISY NAMANA MORA MANKAHALA TSOTRA IZAO
1.1) ALEKSANDRO
Aleksandro no tondroina à izany eto. Hoy ny voalaza ao @ and.14 : « Ale-ksandro, mpanefy varahina, efa nanisy ratsy ahy be loatra; ny Tompo hamaly azy araka ny asany”.Lehilahy manan-katao zany. Mba nandray am-panajana an’I apostoly Paoly izy tany am-piandohana saingy nanamboatra sampy kely maro be sy nivavaka t@ izany. Koa rehefa mba nanarin’I Paoly izy dia lasa nanohitra mafy azy ary nitady ny fomba haminganana azy.Natao ho namana kanjo mora mankahala, ka nitenenan’I Paoly t@ Timoty hoe : “tandremonao ihany izy iny, fa nanohitra fatratra ny teninay » (And.15).

Misy olona tokoa mihazakazaka mba hifandray aminao voalohany mam-piseho fitiavana, fa rehefa tsy manaraka ny heviny ianao dia izy indray no hanenjika anao voalohany. Mangataha ny fahazavan-tsaina avy @ Tompo mba hamantaranao mialoha izany karazan’olona zany sy mba hahaizanao mitondra tena tsara manoloana azy.

2) MISY NAMANA MORA MIVADIKA
Demasy indray no tondroina @ izany eto. Hoy ny and.10 : « Demasy efa nandao ahy, satria tia izao fiainana izao izy ka lasa nankany Tesalonika ».
Izy no notendrena hiara-miasa sy miaritra t@ Paoly raha nigadra izy. Rehefa nihamafy anefa ny fanenjehana dia nandositra sy nandao azy izy noho ny fitiavany izao tontolo izao.

Raha ny namanao mbola tia izao tontolo izao mihotra noho ny fitiavana ny Tompo dia tsy azonao itokisana izany. Izany hoe tia ny rendrarendra, izay mampifalifaly vetivety fotsiny. Vao misy fahasarotana kely fotsiny dia handao anao izy. «Raha misy olona tia iti dia tsy ao anatiny ny fitiavana ny Ray.” (1 Jao 2.15b).

3) MISY NAMANA MIEZAKA MIFANAMPY @ SAROTRA
Ny tena namana dia izay mifanampy @ sarotra. Misy efatra lahy izy ato :
Ny roa voalohany dia voalaza ao à and;10 : « Kreska nankany Galatia, Titosy nankany Dalmatia ».
3.1) KRESKA
Nankatoa rehefa nirahin’ialefan’I Paoly tany Galatia, na dia lavitra aza
3.2) TITOSY
Tena mpiara-miasa akaiky azy koa araka izany ka nirahiny tany Galatia
mba hampahery koa reo tratran’ny fanenjehan’ny Romana mpanjanaka.
3.3) TYKIKO
“Tykiko dia nirahiko ho any Efesosy” (And.12). Tena mpiara-miasa tsy nahitana olana izy.
3.4) MARKA
Tsaroany sy nafaran’I Paoly satria niezaka t@ fanompoana. “Alao Marka, ka ento miaraka aminao, fa mahasoa ahy amin’ ny fanompoana izy” (And.11).
Ny fahaizan’I Apo Paoly niara-niasa t@ namana maro no anisan’ny nampatanjaka azy ka nahavitany be t@ fanompoana

Koa aza mihevi-tena hahavita tena samirery fa manana fanetren-tena hiara-miasa @ hafa : na ao an-trano na any am-piasana na aty am-piangonana.
“Miraisa saina. Aza mihevitra izay hiavonavonana, fa aoka mba ho zatra amin’ ny fietrena hianareo. Aza manao ny tenanareo ho hendry.” (Rom 12.16).

4) MISY NAMANA TENA MANDRAY TOY NY ANKOHONANA

4.1) LIOKA ho an’I Paoly :
« Lioka ihany no ato amiko” (And.11). Tsy mba niala mihintsy t@ fiarahana t@ apostoly Paoly raha tsy irahina tokana angaha. Tena zoky na rahalahy mantsy no nandraisany an’I Paoly.

4.2) PAOLY ho an’I Timoty
Timoty dia nantsoin’I Paoly hoe “zanako malala » (2 Tim 1.2). Fifaliana hatrany fihaonany. « Maniry hahita anao aho mba ho feno fifaliana aho” (2 Tim 1.4).

Mahaiza mijery sy mangataka @ Tompo isika fa misy namana sarobidy noho tena mpiray tampo indraindray, namana tena tsy mifankafoy.

5) JESOA KRISTY NO TENA NAMANA TSARA INDRINDRA
Rehefa lasa nirahiny avokoa reo namana mahatoky teo anilan’I Paoly
( Lioka, Kreska, Titosy) ary mbola tsy teo kosa ireo mahatoky sasany
(Timoty sy Marka) dia namela azy irery i Aleksandro sy ny namany izay hany mba natao hiaraka taminy t@ izay. Izy irery no niatrika ny fitsarana (And.16).

Ny Tompo sisa no nanohana sy nampahery azy. Tonga nisolo vava niaro sy nampiteny azy. Toy ny tonga mivantana niaraka taminy teo no fahatsapany azy : « Kanefa ny Tompo nitsangana teo anilako ka nampahery ahy” (And.17). Tsy t@ ity fitsarana an-tany ity ihany fa ho @ fitsaran’ny lanitra koa (And.18).

TENY FAMARANANA
Mba manaova jery todika ny fifandraisanao koa ka jereo tsara ny namanao rehetra. Sahia manapaka izay fifandraisana tsy mahasoa ary hatsarao ny fifankatiavana fa harena ho anao izany. Amena.