JAMBA ROA SAMIHAFA

Navoaka ny 8 Jolay 2020

JAONA 9
“JAMBA ROA SAMIHAFA”
Ny Jaona 9 dia mitantara ny nampahiratan’i Jesoa lehilahy iray teraka jamba. Rehefa tena dinihina anefa dia ahitana jamba roa samihafa ny tantara.

1) JAMBA VOALOHANY
Ilay Lehilahy teraka jamba tao Jerosalema no jamba voalohany. Voahilika teo @ fiaraha-monina izy noho izany ka zary mangataka sisa no mba hivelomany. Jesoa raha nandalo dia nijery sy nijanona teo aminy satria onena azy Izy. Voavonjy ity jamba ity noho ireto antony manaraka ireto.

1.1) TSY MIAHOTRA NANDRAY NY TOMPO
Nanontany ny Tompo ny apostoly hoe : “Raby ô, iza moa no nanota, io lehilahy io va, sa ny ray aman-dreniny, no dia teraka jamba izy ? Te hitady izay meloka. Ny fisainan’ny jiosy tokoa mantsy dia milaza fa nisy nanota matoa marary na tra-pahavoazana.

Jesoa tsy mitady olona ho melohina fa ho vonjena. “Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka ho amin’ izao tontolo izao hanameloka izao tontolo izao, fa mba hamonjeny izao tontolo izao” (Jao3.17). Ny hanarina antsika no mahamay Azy. Avy hatrany tokoa dia raiki-po tamin’ny Tompo lay jamba vao naheno Azy. Niomana hifantoka sy hankatoa zay ho lazaina aminy izy.

1.2) MANAIKY AM-PANETREN-TENA HANAOVANA NY ASAN’A/TRA
Hoy Jesoa : “Tsy io lehilahy io no nanota, na ny ray aman-dreniny,
: “fa ny hanehoana ny asan’ Andriamanitra eo aminy. Koa tsy nanadina azy akory Izy fa tonga dia nanao feta t@ rora mba hahosotra ny masony. Mampahatsiaro ny nanaovana an’i Adama t@ alalan’ny tany mena io. Izany hoe, vao nohariana indray izy. Tsy nandà izy na dia nohosorana fotaka t@ rora azan y masony. Nankatoa koa izy rehefa nasaina nanasa ny masony tany @ farihy Siloama. Nahagaga fa tsy nisy fisalasalana teo aminy hanatanteraka izany, na dia mbola jamba izy. Nanam-pinoana izy ka nankatoa sy niverina. Vokany, nahiratra izy. Io fiverenana io no tena loharanom-pitahiana.

1.3) MIJORO AMIN’NY FINOANY
Nitodika manokana t@ ilay jamba àry Jesoa ka nanontany azy hoe : “Mino ny Zanak-Andriamanitra ve ianao fa Izaho izay miresaka aminao izao no Izy. Hoy lay jamba hoe : “Tompoko, mino aho”. Dia niankohoka teo anatrehany izy. Na dia nohenjehina aza izy dia nijoro t@ finoany.

Araka izany, nahiratra ny masony ary velona ny finoany. Tsy menantra nanondro an’i Jesoa ho mpanasitrana azy rehefa nadinina.

2) REO JAMBA FAHA-ROA
Ireo Fariseo sy jiosy mpanaradia azy no jamba faha-roa eto. Tsy ho voanjy ireo noho ireto antony manaraka ireto.

2.1) TSY MINO NY HERIN’ANDRIAMANITRA
Tsy faly izy ireo rehefa nahita fa nahiratra lay teraka jamba. Jamba ireo satria tsy mba mety mahatakatra ny fahasoavan’ny Tompo eo @ fiainana. Tsy mety mino ny herin’ny Tompo ka nanadikadina mafy. Tezitra anefa izy reo rehefa novaliana hoe Jesoa no nanasitrana.

2.2) TE HANAMELOKA IZAY MANDROSO
Rehefa tsy afa-po izy ireo dia ny ray aman-dreniny indray nohadihadiany mafy. “Efa lehibe izy, koa izy no anontanio”, hoy ny navalin’ireto farany.

Ny Jiosy notarihan’ny Fariseo mantsy efa nifanaraka fa raha misy manaiky An’I Jesoa ho Kristy dia horoahina hiala amin’ ny synagoga. Noteren’izy ireo lay sitrana hilaza fa mpanota Jesoa, saingy tsy nety izy. Nanahirana azy ireo ny nahita fa lasa niova fo ilay mpangataka hatrizay. Hany ka nampiasa ny fahefam-piangonana mihintsy mba hiapangana azy sy Jesoa.

2.3) MBOLA VOAFATOTRY NY FAHOTANA
Raha mihaino an’I Jesoa isika dia sady tsy tao @ lay jamba na ny ray aman-dreniny ny fahotana fa ao @ ireto olona mpanamarin-tena sy jamba ara-panahy reto. Tena mbola vofatotry ny fahotana izy ireo satria tsy mino an’I Jesoa Kristy, tsy mankatoa ny herin’ny T.A, mbola feno fialonana sy fankahalana hany ka mora tezitra sy manenjika fa tsy mety manam-pifaliana.

TENY FAMARANANA
Raha fintinina izany, lay jamba voalohany dia voanvonjy satria nino sy niankohoka t@ Tompo. Sady sitrana ara-nofo no sitrana ara-panahy izy. Reo jamba faha-roa kosa, dia ireo Fariseo sy ny mpanara-dia azy ireo, mbola meloka satria jamba ara-panahy, tsy mino an’I Jesoa Kristy ho Tompo sy Mpamonjy, na dia niara-belona taminy aza. Na samy jamba izy roa ireo dia samihafa tokoa satria ilay voalohany niaiky ary nety nanaovana ny asan’Andriamanitra, fa ireo faha-roa kosa dia tsy mahalala akory ny fahajambany aza. Soa ihany fa teo Kristy, onena sy mamonjy izay torotoro fo, mahay manova olona, manome fanasitranana sy fitahiana izay mandray Azy. Koa , sahia koa ianao manavao ny finoana sy ny fanarahanao Azy. Sahia miteny am-ponao hoe : “Tompoko, mino Anao aho, miankohoka Aminao aho”. Amena.