“HERY MAHAGAGA”

23min

Navoaka ny 13 Aogositra 2020

HEBREO 11.32-40
“HERY MAHAGAGA”

  • Ny Hebreo 11 dia miezaka mamelabelatra ny finoana Kristiana. Mitanisa ireo olo-malazan’ny finoana ao @ T.T izay nahavita zava-dehibe izy hanama-rinany izany. Andrimanitra izay Tomon’ny finoana sady mpanefa azy no ma-namarina @ heriny, io ilay “HERY MAHAGAGA”..

1) MAMPANDRESY @ SAROTRA NY HERIN’NY TOMPO
Zava-dehibe ny finoana saingy ny Tompo no tena manatanteraka rehefa miorina tsar any mino. “Mila mijery an’ i Jesosy, Tompon’ ny finoantsika sy Mpanefa azy” (12.2). Mahagaga izany heriny zany satria indraindray tsy takatry ny saina.

Ao @ And 32-35 dia voalaza fa na Gideona na Baraka na Samsona na Jefta na Davida na Samoela dia efa samy nahavita nanakatona ny vavan’ny liona. Tena zava-tsarotra tokoa izany nefa nohamarin’ny Tompo. Mino aho fa maro amintsika efa nanehon’ny Tompo izany heriny izany.

Samy nandresy an’ady izy ireo na dia vitsy an’isa aza ny miaramila nentiny. Indraindray atsasaky ny maramilan’ny fahavalo fotsiny aza. Efa haintsika loatra koa zany Davida kely nandresy an’I Goliata be.

Davida koa dia nataon’ny Tompo nahay nandositra sy niala hatrany ny fanenjehan’i Saoly mpanjaka, na dia teo @ fitondrana ka nampiasa miaramila maro aza. Samy zava-tsarotra sy mampatahotra avokoa ireny nefa samy nanehoan’ny Tompo lay hery mahagaga..

2) HAHAZAKANA FIJALIANA NY HERIN’NY TOMPO
Maro t@ ireto olo-malazan’ny finoana ireto no nisedra fampijaliana nefa tsy nitaraina sy tsy nisy nitaraina na nivadika. Ny sasany niaritra fanesoana sy kapoka mafy ary fatorana sy trano-maizina; ny sasany “notoraham-bato, notsofana, nalaim-panahy, novonoina tamin’ ny sabatra, ny sasany nire-nireny nitafy hoditr’ ondry sy hoditr’ osy; efa lao, ory, fadiranovana dia nirenireny tany an-efitra sy tany an-tendrombohitra, sy tany an-johy ary tao an-dava-tany.

Ny tena Kristiana dia tsy matahotra hiatrika ny sarotra, tsy mivadika @ Tompo na dia misy manenjika aza, tsy miala @ fiangonana sy ny fikam-banany na hiakatra lava aza ny vidim-piainana.

Rasalama Martiora, na Rafaravavy Rasalama, lay maritiora kristianina ma-lagasy voalohany, izay nolefonina tao Ambohipotsy, Antananarivo t@ 14 Aogositra 1837, dia tena nandositra tany an-davabato tokoa rehefa nen-jehina t@ andron’I Ranavalona I. Tany an-dava-bato, toy ny tao Manjakaray, izy no niafina mivavaka.

Rehefa nogadraina tao Ambatonakanga izy dia natao gadra-fohy, izany hoe
nafatotra tamin’ny rojo vy mitambatra ny tanany sy ny tongony, ka voatery miforitra mifanakaiky amin’ny tongony ny lohany. Tsy nitarainany anefa iza-ny fa hira sy vavaka no nandanian’iny alina nigadrany. Hatr@ farany dia tsy nanaiky ny hivadika @ finoany izy.

Iisika koa raha tena tsy mibanjina afa-tsy i Jesoa Tompo dia tsy hihemotra mihintsy na dia misy mampijaly sy manafintohina aza. Mamplahelo fa in-draindray zavatra tsy toy inona akory dia mahatonga ny sasany hiverin-dàlana, nandao ny fikambanana, nandao ny fiangonana. Mahazaka mitondra ny hazofialian’ny Tompo isika satria mpanaradia Azy

3) HAHATAKARANA NY TSARA LAVITRA
Hahatakarana ny tsara lavitra tokoa ny finoana kristiana hamarinin’ny herin’ny Tompo. Mety hanontany tena isika hoe « Aiza ny Tompo mano-loana ny fahorian’ireny martiora ireny? Zava-miafina amintsika ny famon-jeny.

Valiny voalohany : Misy @ izy ireny no nisafidy manokana ny ho eo akaikin’ Andriamanitra, fa eo no mahatsara azy (Sal 73.28). Izay lay tsara lavitra am-pahitan’ny Tompo azy. Izany hoe, tsy nangataka ny ho esorina @ izany fam-pijaliana izany intsony izy fa mba ho any @ Tompo. Tsy takatry ny saintsika izany hery mahagaga miasa ao anatiny izany raha tsy ao @ Tompo koa isi-ka. Hoy ny And.35 “nefa tsy mety nanao izay hahafahany izy, mba hahazo-any fitsanganana tsara lavitra”. Ampy hahatakarantsika izay nanery ny fon’ ireny maty martiora ireny izany.

Samy afaka nivadika t@ Tompo anie ireny maty martiora ireny dia tsy novo-noina, saingy nekeny am-pitiavana izany noho ny fahitany ny tsara lavitra. Teny an-dalana ho lefonina ohatra, hiatrika fahafatesana, I Rasalama dia tsy nitsahatra nihira ka anisan’ny nataony ny fihirana 540 ao amin’ny fihirana FFPM hoe: “Hitako ny lalan-tsara ka izorako izao”. Nandohalika nivavaka rahateo izy alohan’ny nandefonana azy.

Valin-teny faha-roa : Ny Tompo mihintsy no manatanteraka no nanapa-kevitra koa araka izany hetahetany izany. Tsy nanafaka azy ireny vetivety
t@ ilay fampijaliana fa nampanantena ny tsara lavitra. Hoy ny And.40 : “Andriamanitra efa namboatra izay tsara lavitra ho antsika”.

Miasa sy manome hery mampadresy antsika hatrany ny Tompo rehefa ma-toky Azy isika. Manome hery hahazakantsika ny anjara hazofijaliantsika Izy sady mampahita sy mitarika antsika ho @ tsara lavitra. Koa tano mafy ny finoanao mba tsy haka ny satroboninahitrao. Amena.