HANAFAKA ANTSIKA NY TOMPO

17:54min

Navoaka ny 13 Jolay 2020

JEREMIA 31.10-14
HANAFAKA ANTSIKA NY TOMPO
TENY FAMPIDIRANA
Jeremia, nampian’ny sekreterany Baroka, no nanoratra ny boky. Nitory ny Tenin’Andriamanitra tao Joda, nandritra ny 40 taona (626 BC – 586 BC) izy. Ny toko 21-38 dia nampitenenina izy fa hanafika sy hamabo an’i Jerosalema mandritra ny 70 taona i Babylona. Rehefa izany dia ho avy ny Tompo hanafaka sy hanangona ny vahoakany indray. Ny toko 31 dia nitenenan’I Jeremia fa hanangona sy hanafaka ny olony indray ny Tompo.

1) HANANGONA NY OLONY INDRAY NY TOMPO
Tena marary ny Tompo izay marary antsika koa mahatonga Azy miteny hoe : “Izay nampiely ny Isiraely no hanangona azy indray” (And.10). Hanangona ireo babo tany Babylona sy ireo nandositra tany Egypta Izy.

Ry Havana, mankarary ny Tompo ny mahita fisarahan’ny mpivady toerana maharitra ela loatra, ny mpivady misara-tsaina lava, tsy mahay mifanantona. Hoy ny Tompo, Hanangona anareo Aho. Tsy sitrany ny lolom-po eo @ samy mpiray tam-po. Hanangona anareo Aho, hoy ny Tompo. Meteza ho hafahany @ zany fatotry ny devoly zany ianareo.

Mampalahelo ny Tompo ny mahita antsika ampahoriana lava. Koa ho Izy hoe : “Izaho efa nanafaka azy t@ tanan’ ny mahery noho izy” (And.11). Koa tahaka ny nampandreseny ny Persiana ny Babyloniana mba hanafahan’ny zanak’Isiraely dia ho ataony aminao koa izany raha matoky Azy ianao.

2) HAMONJY NY SOKAJIN’OLONA REHETRA NY TOMPO
Mamonjy ny olona rehetra tsy an-kanavaka ny Tompo, na avy aiza na avy aiza ny FIHAVIANY; na ny nijanona teo an-tanàna na ny avy any ivelany na ny avy any amoron-tsiraka (And.10).

Indrisy, fa mbola potiky ny adim-poko ny firenena maro aty Afrika. Mbola maro koa ny fiangonana manodidina no mbola mifanavaka sy mifandrafy noho ny hoe tompon-tany sy vahiny.

Manafaka ny SOKAJIN’OLONA rehetra ny Tompo. Ao anatin’izany ny virijiny (Vehivavy tanora), ny zatovolahy ary ny antitra (And.13). Ry tanora, aoka izay ny fiheverana fa ho an’ny antitra ihany ny fivavahana. Tia ny olona rehetra ny Tompo, ary tia anao tanora koa.

3) HIKARAKARA NY LAFIM-PIAINANA REHETRA NY TOMPO
Efa mitsinjo izay ilaintsika @ fiainana kobanandro ny Tompo. Na ny vary na ny voankazo, na ny menaka na ny biby fiompy. Zavatsoan’I Jehovah no iantsoany ireny (And.12). Mikarakara ny TENAntsika tokoa Izy, araka zay nampilazaina an’I Isaia mpaminany fa mandatsaka ranonorana sy oram-panala avy any an-danitra Izy ka tsy miverina any ireny raha tsy efa nahavonto ny tany ka nampaniry sy nampahavokatra azy, mba hahatonga hanina ho an’ ny mpihinana.

Hanafaka ny FIHETSEHAM-PO @ fahakiviana koa Izy araka ny nambarany fa ny fitomaniana ho tonga fifaliana ary ny alahelo lasa hisy fiononana (And.13). Tsy misy fiadanana rehefa ny fontsika no misento lava.

Ny fiadanako no omeko anareo, hoy ny Tompo, koa aza malahelo na matahotra ny fonareo ». Izany hoe, rehefa mandray io fiadanana io isika dia voaroaka ny alahelo sy ny tahotra.

Hikarakara ny FANAHIntsika koa ny Tompo. Tsy avelany ho maina na halazo, ho vontosany rano toy ny tanim-boly ny fanahintsika (And.12). Ny Fanahin’Atra sy ny Teniny ihany no mamelona ny fanahintsika.

4) HITAHY NY FIANGONANY NY TOMPO
“Dia hovokisako zava-matavy ny fanahin’ ny mpisorona, ary ny oloko ho voky ny zava-tsoako, hoy Jehovah” (And.14). Ny fiangonany mihintsy no tondroina amin’izany. Hitahy manokana ny MPANOMPONY Izy. Koa ataovy amin’ ny fo hatrany ny fanompoantsika Azy satria Izy ihany no handraisantsika ny lova ho valiny.

Hamelombelona ny VAHOAKANY Izy satria olony ireny. Hanangona azy indray sady hitandrina azy toy ny fitandrin’ny mpiandry ondry ny ondriny Aho, hoy ny Tompo (And.10). Izy mihintsy no Mpiandry ny mino (Sal 23).

Ny fijoroan’ny Tempoly ao Jerosalema no fanambarana hita maso ny fanatrehan’ny Tompo ny olony sy ny fahaveloman’ny finoanan’ny jiosy indray. Mihazona ny fiangonany hatrany ny Tompo, na teo azan y fanenjehana nandritra taon-jato maro. Tehiriziny ho fanovozan-kery hatrany izy.

TENY FAMARANANA
Ny Tompo dia tsy mahatanty mahita ny faharesentsika sy ny fijaliantsika, na dia vokatry ny fahotantsika ihany aza izany mazàna. Izany no nahatonga Azy maika hampanangona indray ny olony, hanao fanekena vaovao Aminy.

Koa meteza anio hanavao ny fanekenao an’I Jesoa Kristy ho Tompo sy Mpamonjy anao, fa raha ny Zanaka no hahafaka anao, dia ho afaka tokoa ianao. AMENA