Firaisana lalim-paka amin’Andriamanitra

37:08min

Navoaka ny 17 May 2020

Teny fanalahidy : Aumônerie malagasy

1 JAONA 4:12-16
« FIRAISANA LALIM-PAKA AMIN’ANDRIAMANITRA »

A) FEPETRA ROA

1) NY FANDRAISANA NY FANAHY MASINA (And.13)

  • Fanomezana sarobidy ho an’ny mino ny Fanahy Masina fa tsy vidiam-bola na loka ho an’ny izay manam-pahalalana akory.
  • Izay mandray Azy ihany no mahazo azy, izany hoe mibebaka.
  • Atra manakaiky ary miditra aty anatintsika Izy ka izany no ilazana fa “tempolin’ny Fanahy isika”.
  • Mahagaga izao tontolo izao isika, fa noho ny herin’ny Fanahy masina dia tsy mety leo na reraka mankany am-piangonana. Mahavita mitory ny fitiavan’Atra na @ olona tsy tia aza.
  • Na misy mamono aza dia mbola sahy mijoro sy mivavaka indray.
  • Na misy manenjika sy manao teny maharary aza dia ohatrany tsy nisy satria nahazo ny fanavaozana sy ny fampaherezan’ny Fanahy masina.
  • Io hery anaty ananan’ny mino io dia nambaran’ny Tompo hoe “Loharano miboiboika”, mantsy ilay vehivavy samaritana teo am-patsakana. “Ny rano izay homeko azy dia ho loharano miboiboika ao anatiny ho fiainana mandrakizay”, hoy Izy.
  • Ry Havana, tsy mety lany ny herinao raha ny Tompo no mitoetra ao anatinao.

2) NY FANEKENA AN’I JESOA KRISTY HO ZANAK’ATRA (And.15)

  • Ny teny hoe “Mitoetra” dia voambolana miverina matetika sady mavesan-danja ato @ Epistilin’i Jaona.
  • Hanondroana ilay Firaisana lalim-paka @ Atra izy io
  • Teny fototra grika hoe “menô” no nihaviany voalohany.
  • Manorim-ponenana (Demeure)no heviny. Monina ao amintsika mihintsy ny Tompo fa tsy mba mpivahiny intsony. Tonga tompon-trano Izy.
  • Ny fiangonana tao Efesosy, tao andrefan’I Turquie, no nanoratana voalohany ity epistily ity. Nisy antokon’olona nilaza tao fa tsy tena Atra Jesoa Kristy.
  • Koa fanamafisana ny and 15 hoe “Na iza na iza manaiky fa Zanak’ Andriamanitra Jesoa, dia mitoetra ao aminy Andriamanitra”.
  • Atra ao @ fahafenoany mihintsy no mitoetra ao anatintsika. Voninahitra lehibe izany.

B) VOKATRY NY FIRAISANA @ ANDRIAMANITRA

1) NY FITOERANA @ FITIAVANA (And.16)

  • Lay fitiavana Agape (Grika) no ampiasaina eto.
  • Ilay fitiavana mahafoy ny tsara tsy miandry takalo.
  • Zava-dehibe ao @ fampianaran’ny Tompo ampitain’I Jaona io.
  • Ambarany fa Atra mihintsy no fitiavana
  • Mamehy ny maha-izy azy an’Atra sy ny asany. Ny anton’ny ataony rehetra,
    na ny fitsapana sy famaizana aza, dia avy @ fitiavany avokoa.
  • Koa zay mandray Azy dia mitoetra ho azy @ fitiavana.
  • Satria avy @ Atra ny fitiavana marina (And7), ny toetrantsika dia lasa hahafantaran’ny olona ny toetran’Atra.
  • Io fitiavana io no hery manosika ( Moteur) mankany @ atao (Action).
  • Tsy manan-tahotra ny fitiavana (And 18), ka tonga sahy isika.
  • Tsy mahazo aina isika raha tsy mivavaka @ Atra, na mivoha ny trano fiangonana na tsia, manompo Azy hatrany na inona na inona fahasahiranana.
  • Tsarovy fa Atra no nitia antsika mialoha.
  • “Fa fony mbola mpanota isika dia maty hamonjy antsika Kristy”.
  • Ao @ fitiavana no tena misy fahefana mahavita zavatra tsara, toy ny nahafoizan’Atra Ray ny Zanany lahitokana.

2) NY FIFANKATIAVAN’NY MPIRAHALAHY (And.12)

  • Agape hatrany no voambolana nampiasaina eto.
  • Ny fitiavana ny namana no hahafantarana ny Kristiana, hoy Jaona
  • “Izany no hahafantaran’ ny olona rehetra fa mpianatro ianareo, raha mifankatia” ( Jao 13.35).
  • Rehefa tena mitoetra ao anatinao Atra dia tena halavirinao ho azy izany adiady sy fitsitokotokoana ao am-piangonana izany, satria avy @ Satana, lay mpampisaraka zany.
  • Io fitiavana ny namana io no mampiray antsika ao @ fiangonana satria Kristy irery no fihavanantsika ao.
  • Tsy ny maha-mpihavana, na maha-mpiray fihaviana, na maha-mpiray firehana politika no maha-mpiray fiangonana antsika, fa Kristy, izay Lohany.
  • 1 Jao 4.20 “Raha misy manao hoe: Tia an’ Andriamanitra aho, nefa mankahala ny rahalahiny, dia mpandainga izy; fa izay tsy tia ny rahalahiny izay hitany, hataony ahoana no fitia an’ Andriamanitra Izay tsy hitany ?”
  • Ny tena fitiavana dia manome fa tsy mandray, toy ny nanomezan’ny Ray ny zanany (Jao 3.16).
  • Matoa isika nitia ny hafa dia nahafoy fanajana, fotoana, fihainoana azy, vavaka ho azy, ary fitaomana azy ho ao @ Tompo.
  • Ny olona tia dia manam-pifaliana. Tsy @ fifankatiavan’olon-droa ihany, fa @ zavatra rehetra.
  • Tsarovy fa rehefa feno fankahalana sy lolom-po ianao dia miteraka fahasimbana ho anao izany.
  • Ny fonao lasa tsy mitepo ara-dalàna, indrindra rehefa mieritreritra na mifanehatra @ lay olona hankahalainao.
  • Manaraka ho azy ny fisefosefonao ka lasa voaloto ny sainao sy fonao, simba ny tontolonao.
  • Ny fitiavana tanteraka « Amour parfait » (And 17) dia maharesy ny lolom-po sy ny fankahalana. Amena.