Fiakarana mitondra inona ?

29:18min

Navoaka ny 21 May 2020

Andro niakaran’ny tompo - Jaona 16.5-11
Ny dikan’ny niakaran’i jk tompo any an-danitra

Teny fanalahidy : Aumônerie malagasy

1) Vitany ny iraka nampanaovin’ny ray tety an-tany

Jesoa Kristy dia nirahina hamonjy antsika @ fahaverezana mandrakizay.
Nofaranany t@ fomba mahagaga t@ fiakarany izany satria vitany tsy misy tomika ny iraka. Hoy izy : “Fa ankehitriny mankany amin’ izay naniraka Ahy Aho” (And5).
Isika koa misionera tahaka Azy. Mifalia sy mazotoa fa itokisany matoa manana andraikitra na eo @ ankohonana sy ny fiangonana ary ny firenena.

2) Nasandratry ny ray Jesoa Kristy

Jesoa Kristy dia nitondra fahoriana tokoa tety an-tany, indrindra t@ Herinandro masina. Fa eto kosa dia nasandratr’Atra t@ fombany teo imason’ny vavolombelona maro Izy. Raha t@ fanetren-tena lehibe no nahaterahany dia @ voninahitra lehibe kosa no niakarany sy nitsenan’ny lanitra Azy, toy ny avy nandresy an’ady. Efa nahalala mialoha izany Izy raha niteny ao @ and-10 hoe “Hankany @ Ray Aho”.

Rehefa miezaka @ iraka sy andraikitra ananantsika koa isika, na @ fianarana na @ asa, indrindra @ fanompoana ny Tompo dia omeny vokatra, fifaliana, voninahitra.

3) Tena misy fanjakan’atra any an-danitra

Tsy nofinofy na anganongano ny paradisa na ny fanjakan’ny lanitra fa tena misy. Tranon’ny Raiko no ilazan’I Jesoa Kristy azy araka ny nambarany hoe “ Ao an-tranon’ ny Raiko misy fitoerana maro . Ankehitriny, Izy mihintsy no vavolombelona fa handeha ho any, ka nahatonga Azy niteny eto @ and-10b hoe : “Tsy hahita Ahy intsony ianareo”.

Matokia fa efa nanomana fitoerana ho antsika ny Tompo raha miala ety.

4) Mbola hiverina amim-boniahitra indray izy

Tahaka ny nitenenan’ny anjely t@ ireo vehivavy teny am-pasana hoe
: “Tsy ato Izy fa efa nitsangana" ; no nitenenany t@ fahefana koa eto hoe
: “Ry lehilahy Galiliana, Iny Jesoa Izay nampiakarina niala taminareo ho
any an-danitra iny dia mbola ho avy tahaka ny nahitanareo Azy niakatra ho any an-danitra”. Izany hoe tena mbola hiverina avy any ambony indray ny Tompo amin’ny fara andro.

Fanontaniana apetraky ny Tompo amintsika : « Kanefa, raha avy ny Zanak’olona, moa hahita finoana etỳ ambonin’ ny tany va Izy ?”

Ry Havana, Izao no hafatry ny Tompo amintsika mpanaradia Azy :
“Handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa”. Amena.