“Fiainana roa samihafa” (2 Kor 4.16-18)

34:48min

Navoaka ny 26 Aprily 2020

Misy fiainana roa samihafa manoloana antsika mpino

Teny fanalahidy : Aumônerie malagasy

1) FIAINANA ETO AN-TANY

  • Zao hita maso zao izay mbola mety ho lo sy ho levona rahateo.
  • Mbola misy fahoriana (Aretina, fanaintainana, fanenjehana, haratsian-toetra, fahafatesana), saingy hamaivainin’ny Tompo izany noho ny asan’ny Fanahy Masina.
  • Maivana, raha oharina amin’ny fiainan-danitra, na ny faharetana na ny hatsarana.
  • Vetivety foana satria voafetra ny taonantsika ety (70 na 80 taona raha mateza).

2) FIAINANA ANY AN-DANITRA

  • Ny tsy hita, raha tsy amin’ny alalan’ny finoana.
  • Feno ny voninahitr’Andriamanitra ( Tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha).
  • Mavesatra satria tsara lavitra.
  • Maharitra mandrakizay satria hiarahana amin’Andriamanitra.

Fiainana roa samihafa amin’ny karazany nefa hifampitohy ireo ho an’ny mino.

Ny fiainana eto an-tany:

  • Tsy ratsy velively raha manana an’i Jesoa Kristy ianao (Olona anatiny)
  • Fiomanana ho any amin’ny fianana an-danitra, izay tsara lavitra
  • Fa raha hoy isika hoe : “Ny eto ihany no tiako” dia olona ivelany fotsiny isika ary fadiranovana. Hoy mantsy ny voasoratra hoe : “Raha amin’ izao fiainana izao ihany no anantenantsika an’ i Kristy, dia mahantra indrindra noho ny olona rehetra isika".

Ry Havana, amin’izao androm-pahavelomanao izao no hahazoanao misafidy :
+ Na hanohy ny fiarahanao @ Satana, ho any @ fahaverezana mandrakizay.
+ Na hanohy, any an-danitra,, mandrakizay, miaraka @ Andriamanitra

“Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ ny Fanahy amin’ ny fiangonana”. Amena.