Fety fankalazana ny faha-60 taonan’ny fahaleovantena malagasy 2020 (Nosy Maurice)

25:48min

Navoaka ny 1er Oktobra 2020

Fankalazana ny faha- 60 taonan’ny fetim-pirenena malagasy taty amin’ny Nosy Maurice teo ambany fiahian’ny Masoivoho tetsy amin’ny Port-Louis Waterfront. Tamin’ny Sabotsy 12 Septam-bra 2020 teo izany vao azo notanterahina noho ny fepetra ara-pahasalamana momba ny Covid 19 tsy maintsy nohajaina.

Anterina eto ny fisaoranay an’Andrimanitra Rain’i Jesoa Kristy nomba anay hatrany, an’Atoa Albert-Camille Vital, masoivoho sy ny mpiara-miasa aminy, ny Fiangonana Presbyteriana eto Maurice, ny fitandremana Aumônerie malagasy, ny antoko mpihira Hasim-piderana, ny compagnie Port-Louis Waterfront, ny Artisan coffee (Sponsor) , ny mpanentana sy mpandihy, ny nanome am-pitiavana ny fanamafisam-peo, ny teknisian’ny feo, ny mpanentana, ny mpihira, ny mpitendry, ny mpandihy, ny mpaka sary, ny mpaka sary mihetsika, indrindra ianareo vahoaka tonga maro be. "Tahionao ry Zanahary ity nosin-drazanay ity hiadana sy ho finaritra.
He! Sambatra tokoa izahay".