Efa nohamorain’Andriamanitra ny fiainan-tokatranontsika

19:20 min

Navoaka ny 13 Oktobra 2020

Ohabolana 19.13-18
Efa nohamorain’Andriamanitra ny fiainan-tokatranontsika

«Trano sy harena no lova avy amin’ ny ray; Fa ny vady hendry kosa dia avy amin’ i Jehovah.”
“EFA NOHAMORAIN’ANDRIAMANITRA NY FIAINAN-TOKATRANONTSIKA”

1) EFA NAMBOARIN’ANDRIAMANITRA MIALOHA NY LASITRY NY
FANAMBADIANA
“Tsy tsara raha irery ralehilahy; dia hanaovako vady sahaza ho azy izy”(Gen 2.18). Hevitra sy lasitra avy @ Andriamanitra ny fanambadiana. Ny saha asainy tandremana eto dia ny tokatrano, ny ankohonana, ny zara-taninao mila karakaraina. Ny fombafomba ho enti-manatanteraka ny fanambadiana no foronin’ny fiaraha-monina araka ny fahasamihafany.

Koa raha mahatsiaro fifaliana ianao ankehitriny fa manana tokatrano dia misaora Azy. Raha mbola afaka migoka ny hafanan’ny fitiavan’I dada sy neny ianao ry zanaka dia tsarovy fa efa nandray t@ izay efa nisahiranan’Andriamanitra ianao zay. Koa mahaiza misaotra sy manompo Azy.

2) ANDRIAMANITRA NO MANOLOTRA VADY
“Ny vady hendry kosa dia avy amin’ i Jehovah”. Tsy misy mahay mamorona vady ho antsika isika.. Efa natolotr’Andriamanitra teo anoloan’I Adama i Eva vao hitany. Koa izany no ilazana hoe fanomezana avy @ Andriamanitra ny vady. “Hanaovako vady sahaza ho azy izy” (Gen 2.18). Mpanampy tandrify moa no iantsoany azy koa. Natao hifameno sy hifanampy ny mpivady,

Tsy misy feno sy mahavita tena isika na iray aza. Tsy misy mahafa-po tanteraka ary tokony hampifankatia ny mpivady aza izany fifamenoana izany. Mety tsy mahay ny zavatra rehetra ny vadinao, saingy misy zavatra tsy hainao ka izy no manampy anao @ zany.

3) HAJAIN’ANDRIAMANITRA NY SAFIDINTSIKA
Tsy mba manery ny safidintsika Andriamanitra, raha tsy izany efa tsy omby mpivavaka ny trano fiangonana. Tena manaja antsika sy ny fahafahantsika hisafidy Izy. Toy izany koa @ fanambadiana sy ny fitantanana tokatrano. Rehefa nomeny filàna hanambady Adama dia nasehony ireo karazam-biby mba hakany vady, saingy “tsy hita izay vady sahaza ho an-dralehilahy”. Izany hoe tsy nisy tiany ireo ka nanao tsia izy dia neken’Andriamanitra. Zay vao notolorany an’I Eva indray ka rehefa nekeny vao nitory fitiavana azy izy hoe : “taolana avy amin’ ny taolako sy nofo avy amin’ ny nofoko ity” (Gen 2.23). Rehefa niaiky sy nitory t@ Eva Adama zay vao niroso t@ fampiraisana azy roa Andriamanitra hoe : “Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ ny vadiny; ary dia ho nofo iray ihany ireo” (2.24).

Ry tovolahy, rehefa tonga taona @ fitiavana ianao ka resy lahatra fa nisy tovovavy nasehon’Andriamanitra anao. Rehefa manakaiky ny fepetra maha-kristiana efa napetrakao io tovovavy io ary mba efa mampiseho koa ny fironany aminao izy dia tsarovy fa mila mitory ny fitiavanao azy ianao. Sao Andriamanitra indray no omenao tsiny fa tsy mahafoy akory nefa ianao no tsy nandray.

4) MANOME FAHENDRENA HITONDRANA NY TOKATRANO ANDRIAMANITRA
Ambony noho ny an’ny be sy ny maro ny soa toavina kristiana. Tsy ara-nofo na ara-tsosialy fotsiny fa ara-panahy koa. “Vady hendry” no omena ny mino ary avy @ Jehovah”. Izany hoe ny ray aman-dreny kristiana, ambonin’ny famelomana ara-tsakafo sy ny famelana lova (Trano sy harena), dia mitarika ny zanany koa hino fa misy Andriamanitra ka tokony hivavahana. Mampianatra azy ireo fa manome zavatra tsara ho an’ny mino Izy, toy ny vady hendry. Zany mantsy no lova tsara indrindra sady maharitra mandrakizay.

Ny vady hendry dia manokatra ny vavany amin’ ny fahendrena ary ny lalàn’ ny famindrampo no eo amin’ ny lelany (Oha 31.26). Izany hoe tsy mba liana ady, mahay mihaino sy mamindra fo, tahaka an’Atra, matahotra Azy. Matahotra ny hanala baraka ny vadiny ka hifosa azy eny an-tsena na hifamaly lava na hifampiritarita aminy eny imason’olona. Tena matahotra mafy izany hisaraka @ vadiny izany noho ilay teny hoe : “Halako ny fisaoram-bady”, hoy Jehovah (Mal 2.16).

TENY FAMARANANA
Ny tokatrano misy anao no fototry ny fiainanao, na vady ianao na zanaka. Ao no fanovozana hery sy aina. Rehefa io no tsy araka ny sitrapon’Andriamanitra izay namorona azy dia ny fiainanao no tsy hilamina. Koa aza adinoina ry tanora fa mila vavaka sy fiomanana ny fanambadiana. Aza adinoina ry mpivady fa tsy mandeha ho azy ny fiainan-tokatrano fa mila vavaka hatrany. Ento am-bavaka ny vadinao mba ho vady Hendry. Samia miady mafy mba ho Jesoa Kristy no mpitarika sy mpiaro ny fiainantokatranonao. Amena.