Fotoam-bavaka sy toriteny Pentekosta

35:41 min

Navoaka ny 31 May 2020

Jaona 3.1-8 (and-3)
“Ateraka indray”

Teny fanalahidy : Aumônerie malagasy

1) Manaiky ovain’ny Tompo

Nanaitra mafy an’ity Nikodemosy ity ny fampianaran’i Jesoa sy ny faha-gagana nataony ka nangetaheta ny hihaona taminy izy. Marihina fa sady Fariseo no lehiben’ny jiosy @ ara-pivavahana izy. Mbola mpikambana @ fitsaram-pi-angonana jiosy, antsoina hoe “Synedriona”, no sady mpam-pianatra Soratra masina koa.

Nahagaga anefa, fa niandry alina mangigina izy vao nanatona ny Tompo samirery, ka nanontany hoe : “Raby ô, fantatray fa mpampianatra avy amin’ Andriamanitra Ianao ; fa tsy misy olona mahay manao izao famantarana ataonao izao, raha tsy Andriamanitra no momba azy”. Novalian’I Jesoa tsotra izy hoe : Mila ateraka indray. Tsy takany izay tian’ny Tompo nambara ka nahatonga azy nanontany hoe : “Hataon’ ny olona ahoana no hateraka rehefa lehibe ; moa mahazo miditra any an-kibon-dreniny indray va izy ka hateraka ?”

Nohamafisin’ny Tompo indray ao @ And-5 hoe “Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra izy”.

Izany hoe tsy averina any an-kibon’i Neny intsony akory fa fahaterahana ara-panahy ilay hoe “Ateraka indray”. Tsy ny vatana ivelany no averina ateraka fa ny ao anaty no omena OVAIN’NY TOMPO. Tsy maintsy ovaina manon-tolo.

Ny batisa no tondroin’ny “rano” eto. Famantarana ny fanadiovan’ny Tompo ny rano eo. Ny ota no loto hoesorina fa tsy ny tseroka @ vatana ivelany akory. Any @ fo sy saina ary ny fanahy no itoeran’ny ota. Tsy rano velively no afaka hanadio ireo zavatra telo loha ireo fa ny Fanahy Masina ihany. Koa @ maha-famantarana azy ny rano dia ny fampatsiahivana io fanadiovana io fotsiny no antom-pisiany @ batisa. Noho izany dia mety avokoa na rano be na rano kely satria mitovy ny hevitra ampitainy.

Milaza fibebahana (Fiverenana @ Tompo) koa ny batisa. Ny fanapahan-kevitra fotsiny no ilaina amintsika fa ny Tompo no miteraka antsika indray avy any ambony sady manova antsika ho tafiditra eo @ tontolony. Tsy ny zaza ao an-kibo mantsy no manao ezaka hivoaka fa ny reniny no misahi-rana miteraka azy. Torak’izany koa, ny Tompo no misahirana miteraka antsika avy any ambony. Manao fahariana vaovao mihintsy Izy @ izany sady manova tanteraka ny firehana ao anatintsika ao.

Ny teny grika nampiasaina eto dia ny “Pneuma”. Sady manondro ny Fanahy no manamafy ny hevitra hoe “Mitsoka”. Tsy hita maso sady tsy azo sakanana. Raha Andriamanitra tokoa no miasa, iza no hahasakana ?” Koa mila mino sy mangetaheta izany fanovan’ny Tompo izany isika.

2) Mifandray manokana amin’ny Tompo

Rehefa nateraky ny reniny ny zaza iray ka velona soa aman-tsara dia hanana fifandraisana manokana aminy sady hiankina aminy hatrany. Mihoatra noho izany isika @ fifandraisana manokana @ Tompo rehefa avy nateraka indray.

Raha ny toerany sy ny andraikitra notanan’I Nikodemosy voatanisa tery ambony dia efa tokony ho tsara toerana izy @ fifandraisana manokana @ Tompo. Lehiben’ny jiosy ka tokony efa zatra nankany @ tempoly. Mpampianatra izy ka heverina fa mahay Soratra masina tsara. Mpikambana @ fitsaram-piangonana izy ka tokony mahalala tsara ny fiainam-piangonana.

Indrisy anefa, fa rehefa tafahoana manokana t@ Tompo izy vao nahatakatra fa hay mbola lavitry ny fanjakan’Andriamanitra. Te hiova nefa mbola miahotra sy matahotra ny vavan’ny olona. Hany ka t@ alina vao nanatona mangingina. Nantsoin’i Jean Calvin, mpanitsy fivavahana, hoe
« Nicodémite » ny olona manao toy izany.

Fehiny, tsy mbola nateraka indray Nikodemosy. Tsy mbola nandray lay fahariana vaovao na ny fanovan’ny Tompo izy. Tsy mbola manana fifandraisana manokana @ Tompo izy.

Mety mbola maro amintsika no toy izany ka mila mitandrina. Mety efa ela no nianatra baiboly isika, efa zatra mankany am-piangonana ary efa tia mandray andraikitra ao @ sehatry ny fiangonana, saingy rehefa tena mandini-tena samirery miaraka @ Tompo dia mbola lavitra ny fanjakany. Tsy mbola mahatakatra ny hevitra ara-panahy, toy ny hoe “ateraka indray” !

Soa ihany Nikodemosy fa nanao fizaham-pahasalamana ara-panahy teto ka nahita ny aretiny ara-panahy. Dokoteran’ny dokotera rahateo no niatrika azy ka nahalala tsara ny tsy ampy aminy : Mila ateraka indray. Mila manana fifandraisana manokana @ Tompo (Relation personnelle).

Indreto misy mason-tsivana vitsivitsy hanampy anao hahatakatra raha efa manana io fifandra-isana manokana @ Tompo io ianao na tsia : Tsy mbola mahavita mivavaka (Miresaka @ Tompo) rehefa ianao irery ; tsy mbola mahavita mamaky Baiboly rehefa ianao irery any an-trano ; mahavidy boky samihafa maro ianao fa tsy mbola nahavidy baiboly, tsy mbola zatra manana fotoana hihaonana manokana @ Tompo rehefa ianao irery. Raha mbola ireo no iainanao dia mazava fa tsy mbola manana fifandraisana manokana @ Tompo ianao, mbola tsy nateraka indray ka mila manapa-kevitra. Amena.