Andriamanitra Mpampahery ny Fanahy Masina. Jaona 15.26-27

34:24min

Navoaka ny 3 May 2020

Teny fanalahidy : Aumônerie malagasy

1) Andriamanitra ny fanahy masina

Ny Fanahy Masina no hanazava tsara amintsika ny momba an’i Kesoa Kristy (And-26) . Renin-tsoratra hatrany anoratana Azy. Efa nisy niaraka t@ Atra Ray talohan’ny fahariana Izy. “Ary ny tany dia tsy nisy endrika sady foana ; ary aizina no tambonin’ ny lalina. Ary ny Fanahin’ Andriamanitra nanomba tambonin’ ny rano" (Gen 1.2). Zay vao nanomboka ny fahariana A/tra Ray eo @ and.3 : “Ary Atra nanao hoe: Misia mazava; dia nisy mazava”.

Persona faha-3 ao anatin’izay maha-Izy azy an’Atra izay Izy, na koa hoe fomba faha-3 lehibe nisehoan’A/tra teo @ asany : ny Ray @ fahariana sy fitantanana, ny Zanaka @ famonjena ary ny Fanahy Masina @ fitarihana sy fampaherezana.

Araka ity and.26 ity, fa Jesoa Kristy dia sady mifandray @ Ray no mifandray @ FM. Sady mangataka @ Ray no maniraka koa ny FM. Ny Ray kosa sady mamaly ny Zanaka no mamoaka ny FM. Ary ny FM miainga avy @ Ray no
mandimby an’I JK @ fanatrehana mivantana indray ety an-tany. Ny FM no hanambara feno an’i JK. Zava-miafina momba ny “Trnité” izany. JK mihintsy no nanambara fa Atra dia Fanahy (Jao 4.24). Koa aza adinoina fa tena A/tra ny FM.

2) Mandresy lahatra ny fanahy masina

Hoy JK mamarana ny and.26 “Izy no ho vavolombelona hanambara Ahy”
Ny teny Grika “Pneuma”, izay anondroana ny FM dia midika hoe rivotra. Izany hoe, tahaka ny rivotra, dia manerana izao rehetra izao ary afaka miditra any anatintsika fa tsy eto ivelany fotsiny. Hoy JK manazava izany ao @ Jao 14.17 “Ny Fanahin’ ny fahamarinana (F.M), Izay tsy azon’ izao tontolo izao horaisina, satria tsy hitany na fantany; fa hianareo no mahafantatra Azy, satria mitoetra eo aminareo Izy, ary ho ao anatinareo”.
Manamafy fa tena akaiky antsika Atra, tena ao anatintsika Atra rehefa mandray ny FM isika. Tena mampianatra sy mandresy lahatra antsika ny FM.

Ny F.M dia Mpanampy (Jaona 14.16). Manampy antsika hahatakatra ny momba an’Atra. Manapa-kevitra no anjarantsika fa ny FM no tena mahay mandresy lahatra antsika ny momba an’Atra sy JK.

Nanampy ireo nanoratra ny Soratra Masina ny FM. Nanindry (Inspiration) ireo 40 eo ho eo izany. Hoy Jeremia manazava izany : “Dia naninjitra ny tànany Jehovah ka nanendry ny vavako, ary hoy Jehovah tamiko: Indro, efa nataoko ao am-bavanao ny teniko (Jeremia 1.9). Ny FM no nitarika sy nanolo-tsaina ireo mpanoratra ireo (2 Pet 1.20-21 ).

Noho izany, mila mangataka ny FM isika rehefa hamaky ny Baiboly, raha tsy izany dia tsy hahazo aim-panahy. Tsy misy tonga kristiana isika raha tsy tarihin’ny FM. Tsy afaka hiantso an’Atra hoe Aba Ray isika raha tsy efa niasa tao anatintsika ny FM (Gal 4.6). Izay tarihin’ny Fanahin’Atra ihany no zanak’Atra. “Fa raha misy kosa tsy manana ny Fanahin’ i Kristy, dia tsy Azy izy.

3) Mampijoro vavolombelona ny fanahy masina

“Ary hianareo koa dia vavolombelona hanambara, satria hianareo efa teto amiko hatramin’ ny voalohany" (And.27). Isika Kristiana koa dia Vavolom-belona rehefa avy nandray ny FM. “Marturia” no tena grika nanondroana an’io. Izany hoe sady miteny no mijoro hatr@ fara-fofon’aina.

Reo apostoly dia tsy nahery t@ Fitoriana ny Tenin’Atra raha tsy nanomboka ny Pentekosta, fotoana nadraisana ny FM. Teo vao nanomboka ny fipoaha-na lehibe t@ fitoriana ny Filazantsara ka niparitaka manerana izao tontolo izao.

Tadidio fa ady ara-panahy miseho ankehitriny. Ny fanahin’ny devoly no miasa matoa misy fanahin’ny mpitondra fanjakana iray mahavita mitifitra sy mandatsaka baomba. Foto-kevitra ara-panahy diso no afafy @ olona hanao “djihadistes” mba hamonoana olona betsaka. Afafy aminy mantsy ny hevi-diso hoe "ho tonga any @ paradisa, hono, izy raha mahavita izany. Noho izany ny Fitoriana ny Filazantsara sy ny vavaka ihany no fiadiana mahomby voalohany.

Tsy mahazo mitazam-potsiny zany isika rehefa tena nandray ny FM. Tsy hoe lasa mpitondra fivavahana na evanjelisitra daholo akory isika, fa mila mandray anjara @ izay hetsika ataon’ny Fiangonana, na manohana @ fomba maro izay hetsika rehetra atao @ anaran’ny fiangonana. Miaro amintsika @ izany ny FM satria tena anjarany izany misolo vava antsika izany (Jao 14.16).