Vaovao ve ianao ?

Navoaka ny 25 Aprily 2020

Tongasoa eto amin’ny tranokalan’ny Fiangonana Presbyteriana eto Maurice. Fifaliana ho anay ny mandray anao ato anatin’ity mpiakavin’ny finoana ity, izay efa naharitra 150 taona izao. Antenainay fa afaka hitombo amin’ny fahalalana ny Tompo ianao ato. Noho ny fahasoavan’ny Tompo sy ny fanoloran-tenanay, ny vinan’ity fiangonana ity dia ny hijoro, hitombo, hivelatra, hanazava ary hiorina amin’ny fiainana manintona ny ao anatiny sy ny manodidina azy.

Amin’ny maha-tenan’I Kristy anay dia manantena izahay fa afaka hampitao anao tsara amin’ny fiarahanao amin’ny Tompo, mba hiainanao ho voninahiny sy hahatonga anao ho fitahiana ho an’ny hafa koa.

Ny mpiangona ato dia misy mety ho hitanao manao fitafy andavanandro ary misy kosa manao fitafy mihaja, rehefa alahady. Koa tongava araka izay maha-mety anao, araka ny voasoratra hoe “fa tsy mba toy ny fijerin’ ny olona no fijerin’i Jehovah ; fa ny olona mijery ny miseho eo ivelany, fa Jehovah kosa mijery ny fo” (1 Samoela 16.7d).

Ny fiainan’ny fiangonana rehefa alahady

Ho an’ny ankizy
Misy fianarana Sekoly alahady ho an’ny 5 ka hatramin’ny 15 taona, arakaraky ny fandaminan’ny fitandremana tsirairay.

Ho an’ny lehibe
Ambonin’ny fotoam-bavaka, dia misy sampana sy fikambanana ary antoko mpihira
hahazoanao mivelatra sy manompo.

Raha mila fanazavana fanampiny
Mifandraisa amin’ny mpitandrina.