MITSIDIKA: PASTERA CÉLESTIN KIKI

Navoaka ny 19 Novambra 2021

Ny 22 hatramin’ny 25 novambra ho avy izao no hitsidika an’i Maorisy ny Sekretera jeneralin’ny Cevaa Pastera Célestin Kiki. Hihaona amin’ireo vondron’ny Fiangonana samihafa sy ireo tetikasa vatsian’ny Cevaa izy.

Mivavaka isika mba hananany dia soa aman-tsara ary mba hankafy ny fijanonany noho ny fivoaran’ny fahasalamana.