“MILA MIDITRA FIANGONANA” Toriteny

20:39 mins

Published on 9 December 2021

MILA MIDITRA FIANGONANA
TENY FAMPIDIRANA
Ny fiangonana dia nantsoina t@ teny hebreo hoe “qahal” tao @ Testamenta taloha. Niantsoan’i Jehovah manokana ny Zanak’Isiraely izy io rehefa nantsoiny mba hivavaka sy hanompo Azy izy. Ao @ Testamenta vaovao kosa dia ny teny grika hoe “Ekklesia” (Ek+Kaleo) no namipasaina. Nantsoina avy @ na hivoaka @ no heviny. Fiombonan’ny olona hiala amin’izao tontolo izao. Andriamanitra araka izany no Tompon’ny fiangonana satria Izy no miantso. Mizara 2 ny fiangonana : ny fiangonana fanlehantsika mpino mivavaka @ toerana iray voafaritra isan-kerinandro (église locale) ary ny fiangonana iombonan’ny mino an’I Jesoa Kristy maneran-tany.

1) MITODIKA AMINTSIKA @ MAHA-FIANGONANY ANDRIMANITRA
Ny baiboly manontolo dia mitodika @ fiangonana @ ankapobeny : @ Zanak’Isiraely ao @ Testamenta taloha ary @ mino maneran-tany ao @ Testamenta vaovao.

Nt Zanak’Isiraely dia nantsoin’i Jehovah hoe “fiangonana” (Eks 12.3) nanomboka teo @ fotoana hialany @ Egypta. Nantsoiny mba hanompo Azy izy.

Jesoa Kristy dia nampiasa ny teny hoe “fiangonana” (Ekklesia) ao @ Matio 16.18 : “Hianao no Petera, ary ambonin’ ity vatolampy ity no haoriko ny Fiangonako”. Teto no nampisainy voalo-hany ny teny hoe “Ekklesia” io tao @ Testamenta vaovao. Io lay manondro ny fiombonan’ny mino an’I Jesoa Kristy eto an-tany (Eglise Universelle). Io fiangonana io no hampakariny @ fiverenany eny @ rahon’ny lanitra.

Ry Havana, mety efa nandre tenin’Andriamanitra ianao ka nibebaka. Tsara izany. Tsarovy anefa fa Andriamanitra tsy niantso anao hitoka-monina na hanava-tena. Miantso anao Izy mba hiom-bona @ olony masina. Koa midira fiangonana raha te handray tsy tapaka ny hafatra sy ny fampaherezany ianao.

2) NY FIDIRANA FIANGONANA NO FIDIRANA AO @ TENAN’I KRISTY
Jesoa Kristy no lohan’ny fiangonana ary isika no tenany, araka ny voasoratra ao @ Efes 5.23 hoe : “Fa ny lahy no lohan’ ny vavy, dia tahaka an’ i Kristy koa no Lohan’ ny fiangonana”. Ny fian-gonana no tenan’I Kristy ety an-tany. Isika na dia maro aza, dia tena iray ihany ao @ Kristy. Ny 1 Kor 12 dia manazava tsara fa ny mpino rehetra dia toy ny singa maro be eo @ tena. Tsy ma-homby ny fanompoan’ny mino rehefa tsy ao anatin’io fiombonana io satria tsy misy tongotra tonga irery any am-piangonana na hahavita samirery ny asa fitoriana ny Filazantsara. Izay tsy vitan’ny sofina dia mba ataon’ny vava…

Amin’ny maha-fiang ihany no hahazoana manatanteraka ireo baikon’ny Tompo. Isan’ireny ny hanaovana mpianatra ny firenena rehetra. Mitaky tetik’asa sy fitoriana mirindra sy mitohy izany. Toy izany koa ny hoe manao batisa (Sakramenta) izay manatona. Tsy latsaka noho izany koa ny fanatanterahana ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo, nasain’i Jesoa hatao hahatsiarovana Azt mandrampihaviny indray. Tsy azo atao amin’ny maha-fiaraha-mivavaka na fikambanana fotsiny ireo sakramenta ireo fa tsy maintsy @ maha-fiangonana.

Zava-dehibe ny fidirantsika fiangonana satria raha tsy efa manatona mamaly ny antso, manaraka sy manompo ny Tompo @ alalan’ilay fiangonana @ toerana iray (église locale) isika dia tsy ho tafaray @ ilay fiangonana masina maneran-tany (Eglise universelle).

Ry havana, tsy filozofia akory ny fanarahana an’Andriamanitra ka ilazantsika hoe ny saiko anie efa manaiky na tsy tonga any am-piangonana aza aho. Ny finoana dia famaliana ny antson’ Andriamanitra, fanatonana araka ny voasoratra hoe : “Mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, sitrak’ Andriamanitra, dia fanompoam-panahy mety hataonareo izany” (Rom 12.1-2).

Mety alaim-panahy tokoa isika @ izao fikatonan’ny trano fiangonana izao ka hilaza hoe : “Toa mety ihany ilay manaraka fotoam-bavaka @ tamba-jotran-tserasera fotsiny". Tsy hahasolo velively ny fiangonana izany. Tena ilaina ilay frahana mivavaka sy manompo.

Mazava ny voasoratra ao @ Efes 5.23 : “Kristy no Lohan’ ny fiangonana; ary Izy no mpamonjy ny tena.” Koa rehefa tsy ao @ Fiangonany ianao dia tsy isan’ny tenany, ary rehefa tsy isan’ny tenany dia tsy isan’ny ho vonjeny.

TENY FAMARANANA
Jesoa Kristy no nilaza : «Fa na aiza na aiza no iangonan’ ny roa na telo amin’ ny anarako, dia ao afovoany Aho ». Izy mihitsy no manao fotoana amintsika eo @ fiangonana sy ny fotoam-bava-ka iombonantsika. Tokony hanova zavatra maro @ fombantsika. Koa aza mahafoy ny fiaraha-ntsika miangona tahaka ny fanaon’ny sasany. Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ ny Fanahy amin’ ny fiangonana. Amena.