Ny ady ara-panahy sy ny fandresena ao amin’I Jesoa

Carême - Lent 2022

Navoaka ny 7 Aprily 2022

Mandritra ny Karemy 2022 dia manasa anao izahay hiara-misaintsaina isan-kerinandro mandra-pahatongan’ny Paska amin’ny andininy ara-Baiboly iray izay ahafahanao mahita na mahita indray ny fototra ara-Baiboly amin’ny asa fanompoana miaraka amin’ny fanahy. Amin’ity herinandro ity, manasa anao izahay hanohy hijery an’i Jesosy izay manafaka amin’ny fijaliana!

Miarahaba anao amin’I Anaran’I Jesoa ary maniry indrindra ny Fanahy Masina hiasa aminao eo am-pamakiana izao hafatra izao.

Ndeha tantara iray no entiko aminao ry Havana: Jonatana dia lehilahy Kristiana iray miasa amin’ny orinasa lehibe, telo mirahalahy ireo no ‘’comptables’’ ao amin’ny orinasa, indray andro notaritin’ny namany izy hanao osoka hahazoana volabe ho azy ireo ao amin’ny orinasa. Teo indrindra dia tonga tao an-tsainy ny Soratra Masina Manao hoe: ‘’aza mangalatra Eksodosy 20v15’’ ka dia novaliany tsotra arak’izany ireto namany. Rehefa tsy nanaiky hifanampy tamin’ity ‘’affaire’’ ity i Jonatana dia tonga taminy ny fankahalana, fanarabian’ny mpiara-miasa : ‘’tsy ampafirin’izay kristiana’’, teo ihany koa ny faniliana, teny marary… .Am-bolana maro no niainany an’izany ady ara-nofo sy ara-panahy izany, ny hany azony natao dia ny nivavaka ary nametraka tamin’I Tompo ny adiny isan’andro. Manoloana izany dia nandalo zava-tsarotra eny hatramin’ny hakiviana aza izy, fa rehefa ela ny ela dia tratran’ny tompon’ny orinasa ny osoka nataon’ireto mpiara-miasa aminy ka voaraoka tsy nisy hatak’andro izy ireo, I Jonatana kosa dia sady noderain’ny lehibe noho ny fahamarinany no nisondrotra tamin’ny asany, rehefa nampandresen’I Jesoa tamin’ny adiny. Tanteraka taminy ny teny hoe: ‘’ nahatoky tamin’ny kely ianao, dia hotendreko ho mpanapaka ny be’’ Matio 25v21b.

Miarahaba anao amin’I Anaran’I Jesoa ary maniry indrindra ny Fanahy Masina hiasa aminao eo am-pamakiana izao hafatra izao.
Ny lohahevitra ho diniantsika amin’ity herinandro ity dia ny hoe ‘’Ny ady ara-panahy sy ny fandresena ao amin’I Jesoa’’
Ndeha tantara iray no entiko aminao ry Havana: Jonatana dia lehilahy Kristiana iray miasa amin’ny orinasa lehibe, telo mirahalahy ireo no ‘’comptables’’ ao amin’ny orinasa, indray andro notaritin’ny namany izy hanao osoka hahazoana volabe ho azy ireo ao amin’ny orinasa. Teo indrindra dia tonga tao an-tsainy ny Soratra Masina Manao hoe: ‘’aza mangalatra Eksodosy 20:15’’ ka dia novaliany tsotra arak’izany ireto namany. Rehefa tsy nanaiky hifanampy tamin’ity ‘’affaire’’ ity i Jonatana dia tonga taminy ny fankahalana, fanarabian’ny mpiara-miasa : ‘’tsy ampafirin’izay kristiana’’, teo ihany koa ny faniliana, teny marary… .Am-bolana maro no niainany an’izany ady ara-nofo sy ara-panahy izany, ny hany azony natao dia ny nivavaka ary nametraka tamin’I Tompo ny adiny isan’andro. Manoloana izany dia nandalo zava-tsarotra eny hatramin’ny hakiviana aza izy, fa rehefa ela ny ela dia tratran’ny tompon’ny orinasa ny osoka nataon’ireto mpiara-miasa aminy ka voaraoka tsy nisy hatak’andro izy ireo, I Jonatana kosa dia sady noderain’ny lehibe noho ny fahamarinany no nisondrotra tamin’ny asany, rehefa nampandresen’I Jesoa tamin’ny adiny. Tanteraka taminy ny teny hoe: ‘’ nahatoky tamin’ny kely ianao, dia hotendreko ho mpanapaka ny be’’ Matio 25:21b.

Andeha hisintona lesona avy amin’izany tantaran’I Jonatana izany isika:

1-Be fahoriana ny Kristiana marina.
Ny Soratra Masina ry Havana dia efa nanambara izany : ‘’Maro ny fahorian’ny marina’’ Salamo 34v19. Rehefa mandeha amin’ny fahamarinana, mijoro amin’ny maha-kristiana, manaraka an’I Kristy isika dia be fahavalo, halan’ny olona (Ary ho halan’ny olona rehetra ianareo noho ny anarako Marka 13v13). Tsy zakan’izao tontolo izao ny marina ka mahatonga azy ireo mampitondra fahoriana ny kristiana toa an’I Jonatana, izany no mahatonga antsika ho halany, haratsiany, hampitondrainy ny mangidy ka zary lasa ho ady ho antsika izany, amin’ny ara-nofo indrindra ny ara-panahy. Soa fa efa nomena antsika ny fanalahidy dia ny fanana fifandraisana matotra amin’I Jesoa (Mifankazara amin’ny Tsitoha ianao, dia hiadana Joba 22v21a). Manoloana ny adinao anefa dia tsy mitaza-potsiny I Jesoa fa mijery manokana anao foana: Indro, ny mason’i Jehovah mitsinjo izay matahotra Azy Salamo 33v18.

2-Miaro sady mampandresy ny Kristiana I Jesoa.
Na eo aza ny adinao, na dia mampahory anao aza izao tontolo izao, na tsy misy antenaina intsony aza dia tsarovy fa Jesoa eo foana, araka ny Salamo 34v20 izay anjarantsika anio manao hoe: ‘’ Miaro ny taolany rehetra izy; tsy hisy ho tapaka ireny na dia iray akory aza.’’Mananteraka ny teniny Andriamanitra ry Havana ka miaro antsika na dia ao anaty ady aza, toa an’I Jonatana izay narovany na tamin’ireo naman-dratsy na manoloana ny mampiasa.Tsarovy fa tsy irery ianao fa misy tanan’Andriamanitra miaro anao ao. Faharoa ry Havana, tsy miaro fotsiny ihany fa mampandresy ihany koa I Jesoa satria izy ilay efa naharesy izao tontolo izao, ka n’inona n’inona ady atrehinao na eo amin’ny ankohonona na eo amin’ny asa na eo amin’ny fiaraha-monina na eo amin’ny fiangonana dia tsarovy fa mampandresy anao Jesoa.

#FITAOMANA
Manana ady ve ianao?aza kivy manoloana izany, ento eo ami ‘I Jesoa ny adinao : ara-nofo indrindra ny ara-panahy fa ao aminy irery no misy fandresena.

#VAVAKA
Jesoa o, anio dia entinao eo Aminao ireo olona manana ady ara-nofo sy ara-panahy rehetra, mety izahay koa aza. Etinay eto am-potrotry ny hazofijalianao ny ady atrehinay eo amin’ny ankohonona,ny asa,ny fiaraha-monina, ny fiangonana,…Jesoa o, Ianao hiaro sy hampandresy anay. Amen.