Finoana izay manasitrana!

Karemy - 2022

Navoaka ny 11 Martsa 2022

Manasa anao izahay mandritra ity Karemy 2022 ity, mba hiara-mandinika ny Baiboly amin’ny alalan’ny fizarana andinin-tsoratra Masina ahafahanao mitombo ara-panahy .

Rehefa mamaky izay voasoratr’i Lioka ao amin’ny bokin’ny Asan’ny Apostoly isika dia mety hanontany tena manao hoe: Amin’ny alalan’ny inona hamonjen’i Jesoa Kristy antsika? Zava-dehibe io fanontaniana io ry Havana satria manampy antsika hametraka ny fototry ny finoantsika.

Ny valiny dia hoe: Fahasoavana no namonjena antsika, amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy. ( Efesiana 2:8 ) Ny hoe ‘’sozo’’ amin’ny teny grika dia midika hoe mitahiry ho salama tsy marofy ary manafaka amin’ny loza. Jesoa Kristy dia nirahin’Andriamanitra Ray hamonjy antsika amin’ny fandringanan’ny fahotana, ny aretina sy fahafatesana ara-panahy indrindra amin’ny fahavalon’ny finoantsika dia ny devoly sy satana.

Tsy tsapantsika indraindray io famonjena lehibe izany nataon’I Jesoa io. Jesoa dia mamonjy ny fanahintsika amin’ny fahaverezana, amin’ny helo ary amin’ny fahafatesana mandrakizay . Ny sorona nataon’I Jesoa teo amin’ny hazo fijaliana dia manome antsika fahafahana hahazo fanasitranana amin’ny karazana aretina rehetra ara-nofo, ara-pihetseham-po, ara-tsaina ary ara-panahy.

“Minoa an’i Jesoa Tompo dia hovonjena ianao sy ny ankohonanao’’. Ny hany asaina ataontsika dia ny mino an’i Jesoa! Minoa fa Izy no lazain’Andriamanitra fa tena Izy. Minoa fa ho tanterahany izay rehetra lazainy. Minoa satria ny lasantsika dia mampiseho fa Andriamanitra dia tsy nandao na oviana na oviana ary manao zavatra mihoatra noho ny eritreretintsika aza Izy!

Ao amin’ny filazantsara ao, dia misy olona maromaro mangataka famonjena amin’I Jesoa. Matio 8:25 ‘’Ary nanatona izy ireo, dia namoha Azy ka nanao hoe: Tompoko, vonjeo, fa maty izahay!’’. Tsy nisy azon’ny mpianatra natao afa-tsy ny niantso vonjy tamin’I Jesoa.

Ao amin’ny Matio 9: 21 isika dia mahita ilay vehivavy tsy nitsaha-dra nandritra ny roa ambin’ny folo taona. Very hevitra izy, ka nankany amin’Ilay mpanao fahagagana sy nanasitrana ny marary. “Na dia ny lambany ihany aza no ho voatendriko, dia ho sitrana aho’’Hitantsika eo amin’ny andininy faha-22 fa sitrana io vehivavy io, noho ny finoany an’i Jesoa. Isika koa dia afaka mahazo fanasitranana toy izany. Aoka isika hino fa Jesoa dia manana fahefana hanasitrana sy hanafaka antsika, ary ny fanasitranana dia raisina amin’ny finoana.

Ny finoana dia fametrahanan ny fitokisana tanteraka amin’I Jesoa izay Tompo. Matetika dia heverina ho zava-poana ny finoana. Matetika koa dia sarotra ny manao ny sitrapon’Andriamanitra nefa aoka isika hino, hino an’i Jesoa, hitaraina amin’i Jesoa, hanantona an’I Jesoa mba ho voavonjy – ho sitrana – isika sy ny ankohonantsika!

#FAMPIHARANA
Ahoana no ahafahantsika miaina amin’ny finoana amin’ity herinandro ity? Inona no fanasitranana ilaintsika? Hoy Jesoa: Mangataha, dia homena ianareo; mitadiava, dia hahita ianareo; dondony, dia hovohana ianareo. ( Matio 7:7 ).

#VAVAKA
Ray malala ô, misaotra anao izahay noho ny fampahatsiahivana fa tamin’ny fahasoavanao no namonjena anay, amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy. Ny Famonjenao no manafaka sy manasitrana anay.
 
Ampio izahay hanaiky sy handray izany Famonjena izany. Ampio izahay hanaiky sy handray an’i Jesoa ho hany Tomponay. Ampio izahay hanaiky sy handray izao fanasitranananao anay izao.
 
Eo amin’ny ady amin’ny aretina ara-nofo, ara-panahy, ataovy tsaroanay fa sitrana amin’ny anaran’i Jesoa izahay. Eny, ny dian-kapoka taminao Jesoa no nahasitrananao anay. Ataovy miaina sy mampihatra izany fahamarinana izany izahay Andriamanitra O. Amen.