NY HERY SY FAHEFAN’NY FINOANA AN’I JESOA

Navoaka ny 22 Oktobra 2020

Matio 21:18- 22

Ny finoana :

  • Hebreo 11:1
  • Ny finoana dia faharesen-dahatra tsy azo hongozonina, fahatokiana lalina ary fanantenana ny ho avy.
  • Ny olona mino an’I Jesoa dia ireo izay nandray Azy ho Tompo sy Mpamonjy.
  • Ny loharanon’ny finoana dia ny toriteny, ny Tenin’Andriamanitra Romana 10:17:
  • Tena zava-dehibe eo amin’ny fiainana kristianina ny finoana Hebreo 11:6

1°) NY HERIN’NY FINOANA AN’I JESOA DIA HAHAFAHANTSIKA MAMOA
Diso fanantenana Jesoa rehefa tsy nahita voa teo amin’ilay hazo aviavy be ravina ka nozoniny ilay hazo mba tsy hisy voa intsony mandrakizay ka dia nalazo sy maina avy hatrany.
Fampitandremana ho antsika izany, mila mahita voa eo @ fiainantsika ny Tompo, fa tsy ho fisehoana ivelany fotsiny.

Ny voa mendriky ny fibebahana no voa andrasany amintsika izay miseho @ endrika 2:

A) Fahatsara- toetra 9 vokatry ny Asan’ny Fanahy Masina anaty
Ireto ny toetra tokony ho hita ao amin’izay rehetra mino an’I Jesoa: Fitiavana-fifaliana-fiadanampo-fahari-po-famoram-panahy-fanaovantsoa- fahamarinana-fahalemem-panahy-fahononampo. Galatiana 5:22-23, toetra vokatry ny famelantsika ny Fanahin’Andriamanitra hiasa ao anatintsika
B) Ny fanahy voataona ho an’ny Tompo
Rehefa mino an’I Jesoa isika dia maniry hitaona ny hafa ho Azy , manohy ny asa izay efa nataony tety an-tany Jaona 14:12
Fomba famoazana: Jaona 15 :1-6

  • Izay miombom-piainana @Jesoa: olom-bavaka, mazoto mihaino sy mankatoa ny Teniny, dia afaka mamoa ary mamoa be, ary hamboariny mba hamoa bebe kokoa hatrany: hitombo @hatsaram-panahy ary hampandroso ny asa fitoriana mba hahataona olona maro ho an’ny Tompo.
  • Izay tsy miray @ Jesoa kosa dia tsy hamoa ka esorina, ariana any ivelany ka halazo ary hangonina dia atsipy anay aty afo, fahaverezana mandrakizay io, izany no hahazo izay rehetra tsy hahitan’ny Tompo voa mendrika ny fibebahana.
    Andriamanitra ihany no tena mpandinika ny voa sy ny fo ka tsy azo hiantsaram-belatsihy .
    Ataovy marina ny fanolorantena ho an’i Jesoa sy finoana Azy mba hamoa be ka hahafaly ny Tompontsika.

2°) NY FAHEFAN’NY FINOANA AMIN’NY VAVAKA IZAY ATAONTSIKA
Talanjona ny mpianatra raha nahita ny hery sy ny fahefan’ny Tenin’I Jesoa, Jesoa namaly azy ka nilaza fa afaka hahavita izany izy ireo raha manam-pinoana.
Matio 21:21-22 :Misy karazam-bavaka roa lazain’I Jesoa, samy ahitana ny fahefan’ny finoana ka hahavitana izay tsy hain’ny olona atao ireo.

A-VAVAKA AMIN’ NY FAHEFANA
Rehefa niakatra any an-danitra Jesoa dia eo am-pelantanany avokoa ny fahefana sy ny hery rehetra (Efesiana 1:20-21) Fa ny fiakarany koa dia mametraka ny olona @ toerana tokony hisy azy (Efesiana 2:6). Ny fiombonan’ny fiangonana @ fiakaran’I Kristy dia fiombonam-pahefana Aminy. Koa afaka mivavaka @ fahefana ny olona mino Azy @ fotoana sy ny toerana rehetra.

Ny “tendrombohitra” no kisarin’ny olana sy sakana manoloana ny olona ka manakana azy tsy handroso, na hiasa: aretina, fahakiviana, fahakamoana, sns
Ampianarin’I Jesoa isika mba hampihatra ny fahefana nomeny antsika: fahefana mibaiko sy mifehy ny zavatra rehetra ka afaka hamaha sy hanaisotra ny olana sy ny sakana rehetra eo @ fiainantsika. Vavaka tsy miantefa mivantana @ Andriamanitra ity kanefa vavaka misy sady feno fahefana. Toy izao no tokony holazaintsika amin’izany: “mandidy anao @ Anaran’ny Jesoa aho mba hiala”.
Aza misalasala fa ampiasao ny fahefana izay nomena anao kanefa misy fepetra ny fahombiazan’ izany vavaka izany

B) VAVAKA FANGATAHANA
Ity vavaka ity dia miantefa mivantana @Andriamanitra ary hangatahana Azy mba hiasa. Raha ato @ finoana ity dia azo antoka ny valim-bavaka fa tsy misy zava-mahagaga tsy hain’Andriamanitra hatao.
Indreto ny fepetra hampahomby ny vavaka:
1) Mivavaha @ finoana ka vao mangataka dia mino fa efa nandray Marka 11:24:
2) Ambarao mazava tsara izay tiana angatahina (Marka 10:51)
3) Mivavaha araka ny sitrapon’Andriamanitra 1jaona 5:15 farano hatrany amin’ny Matio 26:39b ny vavaka
4) Mivavaha @ Anaran’I Jesoa Jaona 14:13
5) Aoka hiombom-piainana @ Jeso Jaona 15:7
6) Manàna faharetana @ fivavahana, ny Tompo dia manana ny fotoany. 1Tes 5:17
Fanamarihana

  • Mety tsy izay nangatahantsika no omen’ny Tompo fa izay fantany fa mahasoa kokoa.Jeremia 29:11
  • Raha tsy mety mahazo valim-bavaka dia mandiniha-tena sao misy fahotana tsy nibebahana na helok’olona tsy navela fa sakan-dalam-bavaka ireo (Salamo 66:18).
    FEHINY: Ny hery sy ny fahefan’ny finoana an’I Jesoa no
  • mahatonga ny fiainantsika hahitam-bokatra
  • ary hahafahantsika mahita fahombiazana hatrany @ vavaka rehetra izay ataontsika.
    Ny fiombonam-piainana Aminy no fomba hahatsapana ny fahalebiazany ka hitomboana @ finoana Azy. Koa meteza ho sakaizan’I Jesoa ka ho tonga olon’ny finoana marina. Meteza handinintena sy hanavao ny fanorantena ho an’I Jesoa mba hahamarina ny finoantsika Azy.