NY FOMBA HAHOMBIAZANA AMIN’IZAY ATAO

19:17min

Navoaka ny 17 Septambra 2020

FILIPIANA 2.12-18
“NY FOMBA HAHOMBIAZANA AMIN’IZAY ATAO”

TENY FAMPIDIRANA
Tany @ taona 60 tany, raha mbola tany am-ponja tany Roma i Paoly, no nanoratra ity epistily ity. Ny Fil 2.1-18 dia famporisihina mba hiasa @ tahotra sy hovitra. Ireto àry ny fomba hahombiazana :

1) MANOME LANJA NY FANEKENA NATAO (And.12)
Nidera ny faneken’ny filipiana azy fony izy tany I Paoly no sady mbola nangataka ny hanohizany izany, na tsy miaraka amin’izy ireo any intsony aza izy (And.12). Tena mbola nanompo tsara tokoa ireo namany tany Filipia.

Isika kristiana dia olon’ny fanekena. Rehefa eny dia eny , tsia dia tsia. Matahotra ny mivadika @ izay efa nekena isika, araka ny tenin’i Jesoa Tompo hoe « Fa aoka ny teninareo ho Eny, eny; Tsia, tsia; fa izay mihoatra noho izany dia avy amin’ ny ratsy » (Mat 5.37).

Izay ataontsika rehetra dia ialohavana fanekena an-kalalahana avokoa. Raha nisoratra anarana @ Sekoly iray ianao dia nanaiky an-kalalahana izay fa vonona hianatra ao, ka tsy tokony ho tambatambazina hiezaka @ fianarana. Matoa ianao tafiditra ao @ orinasa iray ianao dia nisy fanekena (Contrat) nataonao tao fa vonona ny hiasa tsara sy hanaraka ny fandaminana ao. Koa hajao ny fanekena natonao fa làlana voalohany mitondra anao any @ fahombiazana izany sady hanome hasina anao.

2) MANATANTERAKA NY ATAO NOHO NY FANKATOAVANA AN’A/TRA (And.13)
Reto filipiana ireto dia efa niara-nanompo taminy t@ fahatahorana an’Andriamanitra raha mbola teo izy. Voalaza fa mbola nanohy izany na dia tsy teo intsony aza izy. Izany hoe tsy mba nanompo imaso.

Isika koa dia toy izany. Rehefa miasa na manao zavatra dia tsy mpila sitraka amin’olona, fa tahaka ny mpanompon’ i Kristy manao izay sitrapon’ Andriamanitra amin’ ny fo (Efes 6.6). Tsy miandry hoe eo na manara-maso ny mpampianatra vao mianatra. Tsy miandry arahi-maso akaiky na ametrahana “camera de surveillance” vao miasa tsara fa manao izany noho ny fankatoavana an’Andriamanitra. Manao ny asanNY mihintsy isika @ izany araka ny And.13 hoe : « Fa Andriamanitra no miasa ao anatinareo na ny fikasana na ny fanaovana hahatanteraka ny sitrapony”.

3) MANATANTERAKA NY ATAO @ HITSIM-PO (And.14)
“Ataovy ny zavatra rehetra @ tsi-fimonomononana sy ny tsi-fisalasalana” (And.14). Rehefa ankatoavina ny sitrapon’ Andriamanitra dia miala ho azy ny fimonomononana sy ny fisalasalana. Ny kristiana dia miezaka hatrany @ izay rehetra ataony, na inona na inona ataony, manao amin’ ny fo, tahaka ny ho an’ ny Tompo, fa tsy ho an’ olona (Kol 3.23).

Raha sady tezitezitra no mimonomonona ianao ohatra rehefa mba anjaranao ny masana lovia dia mety ho zara raha vita izany ary mety ho vaky satria voatontona mafy. Raha @ fifaliana sady mihirahira anefa dia toa vetivety dia vita satria t@ fo madio sy ny hitsim-po. Asa atao an-kira, hono, toa vita tsy natao. Tena fanalahidy sarobidy izany toe-po madio izany fa angataho @ Tompo mba homeny anao koa.

4) MANATANTERAKA NY ATAO HO FIJOROANA VAVOLOMBELON’NY TOMPO (And.15-16)
“Zanak’ Andriamanitra tsy manana adidy eo amin’ ny firenena meloka sy maditra, izay isehoanareo tahaka ny fanazavana eo amin’ izao tontolo izao ianareo”, hoy ny and.15. Miavaka @ izao tontolo izao isika. Tsy mitovy toetra sy fomba aminy. Oharina @ kintana sy ny masoandro izay fanazava-na isika eo @ izao tontolo izao. Mamiratra sy manazava @ izay ataontsika. Toa vitsy sy kely nefa ampy hanambara ny fahazavan’Andriamanitra. Toa kely ny takamoa iray oharina @ efitra lehibe iray misy azy saingy ampy hanazava ny efitra iray manontolo izy rehefa mirehitra tsara sady mipetraka @ toerana avo, toy ny masoandro sy ny kintana. Tena fijoroana vavolombe-lon’ny Tompo ny fiezahantsika hahomby.

5) MANATANTERAKA NY ATAO HO LOHARANOM-PIFALIANA (And.17-18)
“Faly ka miara-mifaly aminareo rehetra aho. Ary aoka izany no hampifaly anareo koa, ary miaraha mifaly amiko”, hoy Paoly (And.18). Na dia migadra noho ny fitoriana ny Filazantsara aza izy dia naneho hafaliana lalina. Faly t@ fanompoana vitany sy izay tohizan’ireto mpanompo tao Filipia. Tany am-ponja izy no nitaona ny aty ivelany hoe : “Mifalia mandrakariva amin’ ny Tompo; hoy izaho indray: Mifalia” (Fil 4.4).

Ataovy ho loharanom-pifalianao izay ataonao. Ataovy fifaliana izany hoe nahavita zavatra tsara, araka ny sitrapon’Andriamanitra fa tena fanalahidin’ny fahombiazanao hatrany izany. Ho mpandresy, eny manoatra noho ny mpandresy, anie ianao miaraka @ Jesoa Kristy. Amena.