MIHAONA AMIN’ANDRIAMANITRA

12:5

Navoaka ny 16 Novambra 2020

Asan’ny apostoly 3.1-8

Ny boky Asan’ny Apostoly dia nosoratan’i Lioka hitantarany ny fitaran’ny fahasoavan’Andriamanitra ho an’ny jentilisa.
Mizara 3 ny hafatra tiana ampitaina eto
1. Raha mankaty@ tranon’Andriamanitra ianao dia hihaona @ Anďriamanitra
Misy toky nomen’Andriamanitra ny Zanak’Israely ny @ io trano io 2Tan 6:19-21 sy 2 Tan7:15-16 izay nilazany fa ao @ tempoly no hihiratra ny masony ary hihaino ny sofiny satria efa nohamasininy hitoeran’ny anarany ao
Samy manana ny anton-diany ho any am-piangonana ny olona.Eto i Petera sy Jaona andeha hamonjy fotoam-pivavahana ;nisy lehilahy nitondra olona malemy tongotra ;ary
ilay lehilahy malemy tongotra hangataka
Raha apetraka aminao ny fanontaniana inona no antony handehananao aty am-piangonana
Aoka ny fitiavana ny Tompo no mibaiko anao ho any am-piangonana ka rehefa mivoaka ao ianao dia tokony ho tsapanao hoe voaraiko ny teninao ry Tompo ka izao indray izany no tokony ahitsy @ fiainako;izao indray no tokony ataoko
2. Harena sarobidy ny fananana an’i Jesoa
Ilay lehilahy malemy dia nangataka t@ Petera sy Jaona;hoy Petera tsy manana volafotsy sy volamena aho fa izay ananako no omeko.Tsy ny haren’ny tany nomen’ny olona no nahasitrana an’ilay malemy fa ny anaran’i Jesoa.Isika rehetra mpandray ny fanasan’ny Tompo koa dia manana an’i Jesoa. Moa ve hita taratra eo @ fiainanao fa manana an’i Jesoa ianao ka mahasahy miteny tahaka an’i Petera koa hoe izay ananako no omeko. Rehefa manana an’i jesoa ianao dia manana ny zavatra rehetra
Fa tsy omeny antsika miaraka @ Zanany maimaim-poana koa va ny zavatra rehetra
3. Rehefa mahazo fahasoavana na valim-bavaka ianao dia mahaiza mankasitraka an’Andriamanitra
Nidera sy nankalaza an’Andriamanitra ity lehilahy malemy ity fa tsy nanindraindra an’i Petera sy Jaona
Ampianarin’i Jesoa koa isika hahay hisaotra an’Andriamanitra raha nahasitrana ireo boka 10 lahy izy dia vaky vava hoe moa tsy sitrana daholo va ny 10 lahy koa nahoana no iray ihany no niverina nankalaza an’Andriamanitra
Ampianarin’i Davida koa isika ao @ Salamo hahay hisaotra an’Andriamanitra :misaora an’i Jehovah ry fanahiko ary izay rehetra ato anatiko misaora ny anarany Masina.misaora an’i Jehovah ry fanahiko ary aza misy adinonao ny fitahiany rehetra
Koa tsarovy ary fa raha ho aty @ tranon’Andriamanitra ianao dia ataovy izay hihaonanao @ Andriamanitra fa omeny anao ny zavatra rehetra @alalan’iJesoa Zanany ary dia mahaiza mankasitraka Azy @ zavatra rehetra
Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra.Amen