Miambina antsika Andriamanitra

22:46 min

Navoaka ny 2 Desambra 2020

Salamo 121
Miambina antsika Andriamanitra

Fahatokian’ izay manana an’ i Jehovah ho Mpiaro azy
1 Fihirana fiakarana. Manopy ny masoko ho amin’ ny tendrombohitra aho; Avy aiza ny famonjena ahy ?
2 Ny famonjena ahy dia avy amin’ i Jehovah, Mpanao ny lanitra sy ny tany.
3 Tsy mba havelany hangozohozo anie ny tongotrao; Tsy ho rendrehana anie ny Mpiaro anao.
4 Indro, tsy matory na rendrehana Ny Mpiaro ny Isiraely.
5 Jehovah no Mpiaro anao; Jehovah no fialofanao eo amin’ ny an-kavananao.
6 Ny masoandro tsy mba hamely anao nony andro, Na ny volana nony alina.
7 Jehovah hiaro anao amin’ ny ratsy rehetra; Eny, hiaro ny fanahinao Izy.
8 Jehovah hiaro anao, na mivoaka na miditra, Hatramin’ izao ka ho mandrakizay.

“MIAMBINA ANTSIKA ANDRIAMANITRA”
1) Miaro antsika amin’ny fahavalo Andriamanitra
2) Mitantana ny diantsika Andriamanitra
3) Miaro antsika amin’ny loza isankarazany Andriamanitra